Kaominina Ivato – Zavabita roa sosona no notokanan’ny ben’ny tanana Penjy Randrianarisoa

Helisoa

Tsy mikely soroka ny ben’ny tanana Penjy Randrianarisoa fa mitady hatrany ny hampandroso sy aha mamiratra ny kaominina Ivato. Araka izany dia zavabita roa sosona no notokanana teny Ivato ny talata lasa teo. Teo ny zaridaina azo hipetrahana noravahana loko mahafinaritra jeren’ny maso sady haingon’ny tanana ary azo ampiasain’ny mponina tsara rehefa mba maka aina eo amin’ny lalana mihazo an’Ankadindravola iny. Faharoa lalankely mirefy 1km latsaka kely teny Mandrosoa Ivato izay nampijaly sy nampikaikaika ny mponina teny antoerana rehefa tonga ny fahavaratra.

Tsy reraka ny tenako hoy ny ben’ny tanana manao fotodrafitr’asa eto amin’ny kaominina hiadidiako satria ny tombontsoa ho an’ny mponina no himasoako sy jereko. Mbola ho avy hoy izy ny lalana ao amin’ny K2 sy K5 fa mbola eo ampamitàna azy isika amin’izao hoy izy. Isambolana izahay hoy ny ben’ny tanana dia tsy maintsy hitokana fotodrafitr’asa hatrany. Ivato mamiratra sy mandroso no tanjona hoy Penjy Randrianarisoa na iza faly, na iza misakana. Teo ihany koa no nisaoran’ity farany ireo mpiaramiombon’antoka rehetra tamin’ny kaominina Ivato nahatontosàna izao fanamboarana fotodrafitr’asa izao.