Collectif des Citoyens d’origine Malgache Monde – Manamafy hatrany ny hisian’ny fikaonandoham-pirenena

Helisoa

Namoaka fanambaràna ireo Malagasy monina any ampitandranomasina mizaka ny zom-pirenena Malagasy ny faha 13 septambra lasa teo mahakasika ny raharaham-pirenena. Namafisin’ny fanambaràna tamin’izany ny tokony handinihan’ny mpitondra, ka hanaovana ny fikaonandoham-pirenena hisian’ny filaminana eto amin’ny firenena.

Efa in 3 misesy no nanao fanambarana mikasika ny tsara hisian’ny fifampidinihina amin’ny samy Malagasy ny Vondrona iraisam-pirenena ho tombon-tsoa iombonana ho an’ny firenena sy ny mponina ao aminy. Nanomboka tamin’ny volana aprily no nohamafisina nandritra ny dinika savaranonando ny tokony hisian’izany Fikaonandoham-pirenena izany.  Mazava ho azy fa amin’ny maha fikaonandoham-pirenena azy dia ilaina ny hevitry ny rehetra tsy hanavahana. Izany indrindra no mahatonga ny mpiaramiombon’antoka amintsika manosika ho amin’izay.

Aminy maha firenena mahaleo tena an’i Madagasikara dia izay mitondra eo aloha no maka izay fanapahan-kevitra, na hitady vahaolana maharitra na tsia. Raha manindry izany ireo Vondrona Eropeanina ohatra dia tao aorian’ny dian’ny iraka manokana izay nanome fehin-kevitra 27 tao aorian’ny fifidiananana 2018. Izy ireo no namatsy ara-bola noho ny filazan’i Madagasikara fa tany demokratika izy. Manana zo noho izany izy ireo hanome fanatsarana ireo lesoka sy mety ho fitanilàna hitany sy tsapany, tsy hiverenan’ny tsy fahalavorariana teo aloha.

Amin’izao fotoana izao dia maro ireo antoko, vondrona tsy miankina, olon-tsotra, orinasa… no mitaky izany fikaonandoham-pirenena izany. Ny andraikitrin’ny collectif des Citoyens d’origine Malgache Monde dia manamafy sy mampita ny hetahetan’ireo mpizaika aty ivelany sy any an-toerana, mikasika indrindra izay fikaonandoham-pirenena izay. Manana ny anjara birikiny tokoa mantsy ny diaspora amin’ny fanasoavana ny firenena na lavitra aza ary manana adidy ho an’ny Tanindrazana iraisana araka ny efa nambara hatrany. Ny fanambarana im-betsaka nataon’ny mpiaramiombon’antoka amintsika dia midika fa na ny masoivoho teo aloha na ny nandimby azy dia manohy ny asa efa natao ary tsy miova amin’ny fampanjakana ny demokrasia marina.

Raha tsy tiana ny hisian’ny krizy mafy kokoa noho ny nisy hatramin’izay ary mety tsy ho voafehy, dia fotoana izao ho an’ny nahazo fahefana nanomboka tamin’ny 2018 mba handinika.