Miseho hatrany ny fiheverana ho zaza sy bado ny sarambabem-bahoaka

Sôh’son

Tsy hampandroso ity firenena ity velively ny fampanjakana ny tsy fahamarinana sy ny fanomezana laka ny ankinafina na indrindra ny lainga. Na hihodin-kavia na hihodin-kavanana ny fitondrana dia tsy ho lasa lavitra toy ny nanjo ny Israely tany en’efitra, hihodinkodina fotsiny, fa tsy hahita lalan-kivoahana na ho toy ny akoho mivoaka maraina fa tsy ho lasa lavitra.

Hatrany am-piandohana izao fitondrana misy ankehitriny izao no efa ninia nanakona ny marina na ny fahamarinana tamin’ny fomba sy fihetsika maro samihafa. Nentina tao anaty kilaingalainga na ankifonofona hatrany ny vahoaka sy ny firenena tato anatin’ny telo taona mahery izao. Noezahin’ny fitondrana ny haha tompontrano mihono ny vahoaka malagasy manoloana ireo raharaha ilàna fanazavana aorian’ny fanadiadiana. Zary toa mety aminy ny mahita vahoaka entina mangina tsy miteny fa sempotra ao anaty fahantrana lalina. Hany ka rehefa misy mba manandrana maneho ny heviny, indrindra ankalamanjana, dia ezahin’ny fitondrana izay fomba samihafa, na hatramin’ny fampiharana famoretana sy herisetra, mba hampangina azy sy tsy hihetsehany intsony amin’ny manaraka.

Tranga marobe no nisehon’izany teto hatramin’izay. Zary toa mety amin’ilay fitondrana ny manao fitondra-mitanila na miangatra, ka misy omena vahana hanao izay tiany, ary misy kosa tsy mahazo mihetsika na dia hanao fihaonana fifampiarahabana noho ny figadonan’ny andro iray lehibe eo amin’ny fiainany na ny fiainan’ny antokony. Misy koa sokajin’olona na vondron’olona omena tombontsoa manokana saiky isam-bolana, ary misy atao tazan-davitra sy zanak’Ikalahafa fotsiny izao, ka tsy hamakiana loha ny momba azy sy izay manjo azy eo amin’ny fiainany. Misy raha manao hadalana sy tsy marina toa iniana ikimpiana fotsiny izao tsy misy arakaraka ary ampanginina moramora any ny raharaha mamatotra azy. Fa misy vao ahiahiana fotsiny na tsy mitombina aza na ihany koa nahitana irika, avy dia tsy miandry fotoana ela fa ihazakazahana izay ahavitana mampiditra azy am-ponja, sns.

Santionany amin’ny zava-mitranga eto amin’ny firenena ireo tato anatin’izao fitondrana izao, izay fihetsika miharihary tsotra izao, fa tsy hampandroso ity firenena ity velively, fa vao mainka hampilentika azy aza. Ny hita hatrany dia ny fanaovana ny sarambabem-bahoaka ho toy ny zazabodo, sy bado azo fitahina na anaovana resabe fampandriana adrisa sy ronono an-tavy mandrakariva. Ary ny manahirana, hoan’ny mpandinika ny fitantanam-pirenena, dia tsy hita velively eo amin’ny filohan’ny Repoblika sy ireo mpiara-dia mpisolelaka azy ny teny finiavana ho amin’ny fampihavanana ny malagasy indrindra amin’ireo mpanohitra azy sy mpifanandrina politika aminy. Zary fihantsiana aza no re, hoy izy ireo. Izany anefa tsy hampandroso velively ity firenena ity n’inona n’inona atao eto.