Tranga mampalahelo – Namono olona ny fitokanana ny làlana Ambilobe-Vohemara

Niaina

Tranga mampalahelo no nitranga ny faran’ny herinandro teo, tao anatin’ny fitokanana ny lalana RN5A: Ambilobe-Vohemara, mampitohy ny faritra Diana sy ny faritra Sava. Tovolahy 20 taona, mpianatra ao amin’ny Cursa Antalaha faritra Sava, no namoy ny ainy nianjera avy eny ambony kamiao, raha nikasa handeha hiatrika ny fitokanana ny lalampirenena RN5A Ambilobe-Vohemara ny faran’ny herinandro teo io.

Isan’ireo andian’olona notaomina tamin’ny kamiao izay tsy natao hitondra mpandeha ity tovolahy ity. Maro tokoa ireo olona notaomina tamin’ny kamiao, na avy any Antalaha, na avy any Sambava, na avy any Andapa, namonjy io fitokanan-dalana io. Nentina namonjy ny Hôpitaly CHD tany Vohemara ity tovolahy niharan-doza ity saingy dia izao tsy tana izao ny ainy.