Rivo Rakotovao – Rajoelina no tena mpamitaka sy mpandainga

Nangonin’i Stefa

Mitondra fanehoan-kevitra momba ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana ny mpandrindra nasiônalin’ny antoko HVM, Rivo Rakotovao. Indrindra valin-kafatra ho an’ny filoha Rajoelina momba ny kabary fitokanana ny lalana Ambilobe-Vohemara.

« Hoy ny Filoha Rajoelina: “MPAMITAKA SY MPANDAINGA IZAY MAMETRAKA VATOFOTOTRA NEFA TSY MANATANTERAKA AKORY”.

Betsaka ireo velirano, toky sy fampanantenana nataonareo, toa lasa fitaka sy lainga marivo tototra, ny teny mantsy toy ny salaka ka ianao miteny ihany no afatony. Aiza ny:
-Trano mora 50 000 isa?
-Tramway?
-Îles Éparses miverina amin’ny Malagasy alohan’ny 26 Jona 2019
-Ambatondrazaka hatao mitovy amin’i Paris (tena manabitika olona)
-Famoronana sy fampananana asa isam-paritra
-Ny vidin’ny vanille hatao avo telo heny
-Usine Ethanol
-CVO, sns…

Tsy misy tontosa ireo, raha tsy hilaza afa-tsy ireo.

Drafi-pampandrosoana sy fanarenana ny toekarena miiba (negative) daholo, ny tondro refy (indicateurs) rehetra: JIRAMA, AIRMAD, SECREN, APMF, ACM ADEMA, GASCAR Auto sns…
Tsy misy tompoko ny làlana vita herintaona, io akory tsy kianja fampiadiana akoho! fa ezaka mitohy ny fananganana fotodrafitrasa hitondrana fampandrosoana maharitra tsy mitanila, fa tsy peta-toko sy tampi-maso fotsiny. Ny mametraka vatofehizoro tsy manao ny asa no MPANDAINGA hoy ianao dia ianareo izany no CHAMPION. Jamban’ny fankahalana ve ianareo, dia voatery manenjika sy manaratsy ary mandainga, sa tsy mahatoky ny zava-bitanareo?

Tsy aleo ve manetry tena fa mandalo ny zava-drehetra. »

Andriamatoa Praiministra NTSAY: mitamberina, mipody ato an-tsaiko ny toky nataonao tamin’ny Président Rajaonarimampianina, jona 2018! isika 3 miralahy no teo. Ny marina tsy mba maty. Efa mahazo honondraha ny VAHOAKA MALAGASY. Masina ny Tanindrazana, hoy ity mpanao politika, mpitarika ny antoko HVM ity.