NY RAHARAHAN’IKONGO

Raha tsaraina ny nataon’ireo mpitandro filaminana,
Dia tsy misy iadiana hevitra: tsy afany ny fanadinana.
Ny hiaro ireo vahoaka, izay no asa nanirahana,
Kanjo ny dahalo indray no indreny fa nomeny vahana!

“Aotra roa” no mendrika azy raha napetraka ny naoty,
Fa nivaona any amin’ny tsy izy ny nataon’ireo bebaoty.
Moa mahery loatra ve ny tsindritsindry avy any ambony,
Sa ilay fo natao hangoraka no efa tsy nitepo intsony?

Nisy ve ny kolikoly, nisy ve ny fanambazana,
Fa ny zavatra niseho dia nampisento ny mpitazana!
Amin’ny nanome ny baiko, tsisy vidiny ny aina,
Ka dia tena mahakivy sady mahalasa saina!

Tsisy ny fialana tsiny na mba mari-panenenana,
Fa ny lehibe indray no hafahafa fitenenana.
Tanindrazana, lalàna, no filamatra iravahana,
Kanjo niova ho famonoana sy karazam-pandripahana!

O! ry manana ny hery, ry mpitandro filaminana,
Mbola hisy ny fotoana hamerenana hanadinana.
Koa mihevera, indrindra indrindra ianao mpitarika azy ireo,
Fa maimbo ra ireo vahoaka no efa tofoka sy leo!

…Fisaonam-pirenena moa, tsy nisy hatreto ka dia asa
Na hoe niova ny tantara na nivadika ny rasa.
Moa ve mbola hisy tohiny ny amin’ny ra niraradraraka,
Sa hampanginina indray ka dia tsy hisy ny arakaraka?

IRINA HO TAFITA (11-09-22)