TIM Toliara – Efa mivonona amin’ny fampandaniana ny filoha Marc Ravalomanana

Helisoa

Tsy mipetrapetraka ny antoko Tiako i Madagasikara any amin’ny faritany Toliara fa mandeha mitety faritra mametraka ny fototra TIM any amin’ireo distrika sy ny kaominina. Miomana tanteraka ireto farany satria efa hatomotra ny taona 2023 hisian’ny fifidianana eto amin’ny firenena indray.

Ny faran’ny herin’andro teo dia tany Betioky no nihaona tamin’ireo mpikatroka TIM tany antoerana filohan’ny REGTIM Avidisoa Bebe sy ny mpandritra ny tanora TIM Toliara Jean Clovis ary ny mpitarika ny vehivavy TIM ramatoa Sahondra. Nisy ny fanambaràna nivoaka taorian’ny fivoriana nataon’ireo solotenan’ny TIM sy ny tanora ary sy vehivavy TIM miantso ny filoha Marc Ravalomanana hilatsaka ho fidiana filohampirenena amin’ny taona 2023. Tena ilaina hoy izy dada hanavotra ny firenena izay latsaka any ao anaty lavaka mangitsongitsoka ankehitriny. Mila anao izahay DADA hoy ny antsoantson’ireo mpikatroka Tiako i Madagasikara.

Fa taorian’izay dia tany amin’ny kaominina Vatolatsaka indray no nitohy ny dia, nanaovana ny famelomamaso ny TIM tao antoerana sy ny nananganana ny biraon’ny COM TIM hiasa any amin’ny fokontany mandrafitra ny kaominina. Nisy ny fanambaràna nivoaka taorian’izay fa vonona ireto farany hampiroborobo ny antoko TIM ary hanao izay hampandaniana ny filoha Marc Ravalomanana hitantana ny firenena indray.

Farany tany amin’ny kaominina Tsongobory ihany koa dia tafatsangana ny biraon’ny FOKTIM sy ny COMTIM tany antoerana. Vory maro ireo mpikatroka nandray ny toromarika avy amin’ireo birao mitantana ny TIM ao Toliara.

Ankoatra izay dia velom-pisaorana ny mpandrindra ny TIM faritany Toliara Atoa Manitra sy ny kolonely Rabe Jules mpandrindra, ny KMMR faritany TOLIARA, ireo mpikatroka TIM tamin’ny fanampiana nataon’izy ireo, ka nahatontosàna ny dia tany Betioky sy tao amin’ny kaominina Vohitsivala ary tany Tsongobory ao anatin’ny faritany Toliara hamelomamaso ny antoko Tiako i Madagasikara.