Filoha Ravalomanana – Miara-ory amin’ny Britanika, niarahaba ny Mpanjaka Charles III

Isambilo

Amin’izao fahalasanan’ny Mpanjakavavy Britanika Elisabeth II izao, miara-ory amin’ny vahoaka Britanika ny filoha Marc Ravalomanana, filohan’ny Rodoben’ny Mpanohitra RMDM, sady filoha nasiônalin’ny antoko TIM. Niarahaba koa izy ny mpanjaka vaovaon’ny UK: United Kingdom of Great Britain and Northern Ireland, dia ny Mpanjaka Charles III, handimby ny Mpanjakavavy reniny eo amin’ny fiandrianana, hitondra an’i UK sy ireo firenena ao amin’ny Commonwealth.

Nambaran’ny filoha Marc Ravalomanana tamin’izany fa: “tonga nitondra ny teny fampiononana sy fampaherezana tao amin’ny Masoivoho Britanika ny tenako noho ny fahalasanan’ny Mpanjaka Elisabeth II. Ary nampitondra ihany koa ny fiarahabana ho an’ny Mpanjaka Charles III”.

Misokatra eny amin’ny Masoivohon’ny UK (Royaume Uni) eto amintsika, ny boky ho fanehoana ny fiaraha-miory amin’ny vahoaka Britanika amin’izao ny Mpanjakavavy niamboho izao. Ny 19 septambra ho avy izao, vao hafenina any amin’ny Lapan’i Windsor any Londres ny Mpanajakavavy Elisabeth II. Noho izay antony izay, misaona ny fanjakana Britanika amin’izao fotoana.

Isambilo

Fanampim-baovao

Soratra napetraky ny filoha Ravalomanana ao anaty ny boky:
“We are deeply saddened to hear of the passing of Her Majesty Queen Elisabeth II. On behalf of the Malagasy people, we would like to express our heartfelt condolences to the King, the Queen Consort and the rest of the Royal Family. Our thoughts are with them at this sad time. May her soul rest in peace.”
Marc RAVALOMANANA, Former President of the Republic of Madagascar
12 September 2022.