Fifidianana filoham-pirenena 2018 – Kandidà 12 amin’ireo no nahazo famatsiambola tamin’i Rosia – Isany ny mpitondra ankehitriny

Ny Valosoa

Tao anaty ny horonantsary navoakan’ny i24news omaly ny vokatrasan’ny sampam-pitsikilovana amerikana mikasika ny fifidianana tamin’ny firenena ivelany izay novatsian’i Rosia vola.

Nahatratra 500.000$ ny famatsiana kandidà iray avy amin’ny antoko demokraty tao Albania tamin’ny fifidianana 2017. Dia nisy koa ny kandidà notohanany tao Bosnia, Montenegro ary Madagasikara.

Teto Madagasikara dia kandidà miisa 12 no nahazo famatsiambola avy amin’i Rosia tamin’ny fifidianana filohan’ny repoblika 2018, hoy i Pasitera Mailhol. Isan’ny nahazo izany famatsiana izan: ny mpitondra ankehitriny, Beriziky, Mahafaly, Ravelonarivo, Dama Mahaleo, Sarah Georget, Mailhol,… sy ny maro hafa.

Izay izany no isan’ny antony mahatonga ny fitondrana Rajoelina voafatotra amin’i Rosia amin’ity ady any Okraina ity. Azo saintsainina koa fa tao anatin’izany ny famatsiana ireo fitaovampiadiana mahery vaika izay mbola mitaky fanadihadiana. Koa fitsimbinana ny vahoaka ve no fikasana tamin’izy ireny sa ny hiaro ny fahefana norobaina? Dia mbola ho atokisana ve ny kary tafiditra ao am-bala?