Fitondrana eto Madagasikara – Toa toy ny Mpanjaka no mitondra eto fa tsy nofidian’ny vahoaka

Andry Tsiavalona

Raha ny kabary aloaky ny vavan’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina hatramin’izay naha teo amin’ny fitondrana azy izay, dia mitombona ny tenin’ilay tomponandraikitra iray fa didim-panjakana (décret) izay rehetra tenenin’ny lehiben’ny fahefana mpanatanteraka. Tsara ho marihana anefa fa dimy ambiroapolo isan-jaton’ny mpifidy no nanome ny vatony ho an-dRajoelina Andry tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika farany. Tsy ilaina asiana resaka ny « doublon », izay mbola porofo fa tsy marim-pototra izao fitondrana izao, ka izay angamba no niteraka izao fiheveran’ny filohan’ny Repoblika fa izay rehetra teneniny dia tsy maintsy tanterahin’ireo olona notendreny.

Araka izany dia fanjakana tsy tan-dalàna no misy eto, satria na ny Lalàmpanorenana izay izao fitondrana izao ihany no namolavola azy sy nampandany azy dia itsakitsahiny. Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), izay mpiaro sy mamoaka didy tsy azo ivalozana azy, raha vao mahita (constater) fa misy mpitondra na filohana andrim-panjakana, tsy manaja izany lalàna fototra izany dia tsy maintsy mampiato amin’ny asany izay manitsakitsaka izany lalàna izany.

Ny filohan’ny fahefana mpanatanteraka no nanendry ireo governora izay tsy maintsy fidiana araka ny Lalàmpanorenana. Efa nanao fahotàna mahafaty ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana na ny filohan’ity Andrim-panjakana ity teo aloha samirery, nanambara fa « vonjimaika » ny fanendrena fa tsy maintsy ho fidiana ny filohan’ny Faritra. Rehefa notendren’ny filohan’ny Repoblika ny mpikambana amin’izao fotoana izao dia izany fifidianana izany no tokony ho laharam-pamehana aminy. Hatramin’izao anefa dia tsy mbola misy resaka momba izany fifidianana Filohan’ny Faritra izany.

Efa fantatra, araka ny Lalàmpanorenana ihany fa tsy maintsy hapetraka amin’ny fomba ofisialy eo anivon’ny Antenimiera ny Filoha Lefitra fahafito, izay mpanohitra ho azy, satria nanana ny vato betsaka tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena. Tsy mbola misy mieritreritra izany anefa, na ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpaorenana na ny Fitsarana Ambony (Haute Cour de Justice), herintaona mialohan’ny hahataperan’ny fotoana hitondran’ny filohan’ny Repoblika. Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ihany no nanambara fa tsy misy lalàna mamaritra ny fepotoana fanaovana fampielezankevitra mialohan’ny fotoana, ka toa mahazo manao izany izay te-hanao. Tsiahivina ny zava-nisy tany Mandoto rehefa nanao fizarana karatany ny filohan’ny Repoblika, ka nisian’ny andian’olona nitafy akanjo nisy soratra CSANR (Comité de Soutien de Andry Nirina Rajoelina), toy ireny amin’ny fotoanan’ny fifidianana ireny. Tsy misy afaka mandà fa manana endrika fampielezankevitra ireny, ka tokony nandray fepetra ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana.

Tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ireny tranga mampiantso depiote any amin’ny Lapan’ny Praiminisitra tamin’ny fotoana fivorian’ny Antenimiera ireny, ka nandaniana ny Tetibolam-panjakana. Tsy mipetraka amin’ny toerana maha mpanara-maso ny mpanatanteraka azy ny mpanao lalàna, ka tokony nisy fepetra noraisin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana nanoloana izany.

Niantso ny mpiray Tanindrazana ny filohan’ny sendikan’ny Mpitsara hametraka fitokisana amin’ny Fitsarana mba tsy hisian’ny fitsarambahoaka. Ny tranga iainan’ny vahoaka no mahatonga ny fitsaram-bahoaka, fa tsy finiavana handatsaka ny ain’ny mpiarabelona na dia nanao ratsy tsy azo leferina aza. Tsy azo hafenina ihany koa ny teny midina atao amin’ny mpitsara amin’izay didy tsy maintsy havoakany, momba ny olona izay manelingelina ny fitondrana. Tsy mazava moa na misy vola mitsipika amin’ireny tranga ireny na dia tena voatery mamoaka ny didy araka ny teny midina fotsiny ihany, toy ireo mpitandro ny filaminana manatanteraka baiko araka ny lazainy ireny.

Mampametraka fanontaniana ihany koa ny fahasahian’ny filohan’ny Repoblika mampiantso ny Sendikan’ny Mpitsara, ho eny amin’ny Lapampanjakana, izay mampiseho fa tsy miraharaha izany fisaraham-pahefana izany mihitsy izy. Te ho tompondaka amin’ny resaka fitsarana ihany koa ny filohan’ny Repoblika hametraka fitsarana akaikin’ny vahoaka tsy misy kolikoly ihany koa hono. Tena mitovy amin’ny Didim-panjakana tokoa izay tenen’ity filohan’ny fahefana mpanatanteraka ity, ka hahafahana milaza fa fitondrana entin’olon-tokana no misy eto amin’ity Firenena mahantra fahamarinana sy fitondrana mahantra olon-kendry ity. Ilaina ny hamerimberenana ireo tranga ireo, mba hifantsika ao an-tsain’ny olompirenena mandrakariva ny zava-doza ampiainan’izao fitondrana izao azy.