EDITO 13 Septambra – Fitondrana kely feo manoloana ny sehatra iraisam-pirenena

Sôh’son

Anisan’ny nidedahan’izao fitondrana izao tany am-piandohana, ka nilazany fa ho môdely aty Afrika i Madagasikara, ary hitodika aty amintsika ny mason’izao tontolo izao noho ny politikam-pampandrosoana hotanterahiny. Namitaka ny maro izany tamin’ny fotoan’androny ka be no roboka sy resy lahatra fa hiova amin’izay i Madagasikara ary ao anaty fotoana fohy anatin’izao fotoam-piasany izao izany, tsy miandry ela.

Nambaran’i Andry Rajoelina, fa tsy ilaina ny mpamatsy vola iraisam-pirenena hatramin’izay, ary na ny Nosy Kômôro aza dia ho hampian’i Madagasikara, sns. Telo taona mahery aty aoriana ary herintaona sisa dia hifarana ny fotoam-piasany, iaraha-mahita sy miaina ny zava-misy. Mitàna ny rambony i Madagasikara eto amin’izao tontolo izao ary mena-mitaha amin’ny hafa.

Nanaiky tanteraka sy nibaboka teo anoloan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena i Andry Rajoelina fa i Madagasikara dia firenena faraidiny indrindra manerantany ary atao ho môdely amin’ny fanampiana atao. Hatreto anefa, misy fanampiana na fanohanana ara-bola ataon’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena na ny eo anivon’ny Vondrona eoropeana sy hafa, fa latsaka noho ny hafa no re fa vola omena an’i Madagasikara. Misy resaka tsy mazava izany, ary ny fitondrana manakona ny tena marina ny amin’izany amin’ny filazana resaka hafa.

Raha ny fifandraisan’i Madagasikara amin’ireo firenen-dehibe, toa an’i Frantsa, izay tsy sahin’izao fitondrana Rajoelina izao hivatravatrana, mba tsy ilazana hoe atahorany, ny tsapa dia karazany arirarin’ny Frantsay fotsiny ny mpitondra eto. Niaraha-nandre ny tatitry ny mpanome vaovao avy eo anivon’ny prezidansa tamin’ny fihaonany tamin’ny filoha frantsay. Ny fanampiana ara-bola nataon’ny fitondrana frantsay dia karazany miendrika fampanginana na fanampenam-bava ihany ny fitondrana malagasy. Toa izay tiatiany no sehatra hanampiana fa tsy ny mahamaika ny vahoaka malagasy. Toa tsy re akory ny amin’ny hevitry ny fitondrana frantsay momba ny amin’ireo Nosy nobodoiny sy ny amin’ny vola tokony tamberina na vola tsy maintsy aloan’ny fitondrana malagasy tamin’izay vola azony amin’ireo Nosy ireo hatramin’izay. Miandry fatratra izany anefa ny malagasy, ary ny mpitondra notarihin-dRajoelina tany Paris tsy re mba niady an’izany na kely aza. Voatampim-bava tsinona amin’ilay fanampiana ara-bola. Vola no mahamaika izao fitondrana Rajoelina izao, ary vola fanampiana avy any ivelany.

Saro-toerana i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena na ireo mpamatsy vola sy ireo firenen-dehibe toa an’i Frantsa satria firenena faraidiny amin’ny firenena manerantany ka ”tsy manan-danja amin’ny feo”. Vokatry ny tsy fahombiazana amin’ny fitantanam-pirenena izany toe-javatra izany. Raha mbola mihevitra ny hahavita tena hitondra irery izao firenena izao amin’ny fomba fiheverany sy fomba fiasany hatramin’izay dia ho lany andro sy very fotoana eto i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy mponina eo aminy.