Ben’ny tanana ao aminy kaominina Ambanivohitra Tsimafana – Tazomina amponja noho ny loko politika tsy mitovy

Ny Valosoa

Ny 8 septambra 2021 no nitrangàna fandrobàna sy famonoana nahafaty mpandraraha iray tao Beraketa Belo sur Tsiribihina ka naverezana vola 20 tapitr’isa ariary. Noho ny loko politika tsy mitovy dia nisy olom-boafidy nihezaka nandoto ny benin’ny Tanana Tale Haky, ka nitady hevitra rehetra ny hanagadràna azy. Rehefa nosavaina ny tranon’ity farany, dia manana basy ara-dalana izy. Fa misy amin’ireo basy no novidiany tamin’ny ben’ny tananan’ny Tsarahotana fa tara ny nanaovana ny famindràna na mutation, ka teo no nilazàna fa ireo ben’ny Tanana roa ireo no mpiray tsikombakomba amin’ny olon-dratsy. Ankoatra izay, nisy olona tratran’ny zandary nolazaina fa tompon’antoka tamin’ny famonoana ilay mpandraraha, nilaza ity farany fa basin’ny benin’ny Tananan’i Tsimafana no namonoana ilay mpandraraha, ka izay no nampidirana azy amponja vonjimaika ary mbola tsy hay ny fotoam-pitsarana azy.

Ankehitriny anefa dia tratra ilay dahalo raindahiny antsoina hoe Ramita, izay tompon’antoka sady nanao ny fanafihana ilay mpandraraha tao Beraketa sy ilay mpandraraha tamin’ny lalan’ny Belo izay nahafaty ilay mpamily antsoina hoe Zoera. Rehefa nanao fanafihana tao amin’ny fokotany Avaradrova ao Belo sur Tsiribihina izay naharatràna olona 3 moa ny ekipan’ny Ramita tamin’ny 3 desambra 2021 dia nanao ny fikarohana sy ny fanadihadiana ny polisim-pirenena tao Belo sur tsiribihina, ka noho ny loharanom-baovao avy tamin’ny olona tsara sitrapo no nahatratrarana ity jiolahy rain-dahiny ity. Nandritra ny fanadihadiana natao taminy no nanekeny fa izy no tompon’antoka tamin’ilay fanafihana tao Avaradrova, ary ilay fanafihana izay nahafaty ilay mpandraraha tao Beraketa sy ilay tamin’ny lalan’ny Belo sur Tsiribihina. Nanonona ireo namany koa moa izy ka 5 tamin’ireo notononiny no efa tratra. Efa voatazona tany amponja ny roa ary mbola misy 3 ho tadiavina. Tratra tao antranony ny fanafody gasy sy ny basy fampiasany amin’ny asa ratsiny.

Nandritra ny fanadiadiana nataon’ny polisim-pirenena dia tsy voakasika na voatonona amin’ity raharaha ity mihitsy ny ben’ny tananan’i Tsimafana izay voatazona amponja vonjimaika mikasika ity raharaha ity efa hatramin’ny 22 septambra 2021. Koa manao antso avo ny fianakaviana sy ny vahoaka izay efa nanao hetsika moa tamin’ny fotoana nampidirana amponja azy ny mba hamoahan’ny fitsarana ity ben’ny tanana ity.