Iraky ny Filoha Ravalomana tany Ikongo – Nihaona tamin’ireo Ampanjaka sy ireo niharam-boina

Ny Valosoa

Manoloana ny voina nahazo ny mpiray tanindrazana tany Ikongo dia tsy tafapetraka ny filoha Marc Ravalomanana fa nandefa hiraka tany Ikongo hankahery sy hamangy ireo niharam-boina tany an-toerana. Tsy nandeha tanampolo izy ireo tamin’izany, fa nitondra izay voatsirambin’ny tanana avy amin’ny filoha Marc Ravalomanana. Ny depiote voafidy tao Ambohidratrimo sady sekretera jeneraly faha-2 TIM, Mamy Rabenirina no nitarika ny delegasiona tamin’izany.

Rehefa izany dia nihaona tamin’ireo Ampanjaka sy ray amandreny tao Ikongo ireto farany tao amin’ny tranobe Vohitsivala. Niditra nitafa mivantana an-tarobia tamin’izy ireo moa ny filoha Marc Ravalomanana. Faly ireo Ampanjaka naheno ny feon’ny filoha Marc Ravalomanana satria dia niombom-po tamin’izy ireo i Dada. Tsy ny fahoriana no mahafaly hoy izy ireo fa ny fampaherezana izay atao.

Rehefa avy eo dia nihaona tamin’ireo niharam-boina ny delegasiona tao amin’ny tranobe Voninkazo ho an’ireo nanana ny manjo. Nankasitrahan’ireto farany ny fahatongavan’ny solontena izay nalefan’ny filoha Marc Ravalomanana. Miverina hoy ireo mponina ny tamin’ny 1947 raha ny vonomoka natao tamin’ny mponina tao Ikongo.