Fitondrana Rajoelina – Mifanipaka hatrany ny voalazan’ireo tompon’andraikitra

Andry Tsiavalona

Tsy mitsahatra mifanipaka ny fanambaran’ny tomponandraikitra isan-tokony eo anivon’izao fitondrana tsy marin-toerana eto amin’ny Firenena izao. Nanambara indray mantsy ny mpitondratenin’ny fiadidiana ny Repoblika fa tsy misy krizy politika, hono eto ka tsy ilaina izany fikaonandoham-pirenena izany. Etsy an-kilany indray dia tamim-pahatokisantena no nilazan’ny ao amin’ny Minisiteran’ny Varotra fa maritoerana ny vidin’ny kojakoja ilain’ny mponina an-davanandro na eo aza ny krizy maro samihafa.

Samy manana ny famaritany sy ny fahalalany ny antsoina hoe “krizy” ny tsirairay. Samy manana ny fiheverany ny atao hoe “politika” ihany koa. Tsy misy tsy mahafantatra fa politika avokoa izay atao rehetra indrindra ny fitantanana ny Firenena. Rehefa tsy mihodina araka ny tokony ho izy izany ny atao eo amin’ny sehatra rehetra dia miteraka krizy. Ny fandikan-dalàna miverimberina ataon’izao fitondrana izao kanefa tsy andraisan’ny Fitsarana, indrindra ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, dia krizy ara-politika izany. Porofo iray tsy azo hodian-tsy hita ny tsy fametrahana amin’ny toerana filoha lefitra fahafito ao amin’ny Antenimiera roa tonta.

Na tiana na tsy tiana dia miteraka krizy ity toe-draharaha ity satria tahotra fa hahazo vahana ara-politika ny nahazo vato betsaka indrindra, taorian’ny “voafidy” ho filohan’ny Repoblika, dia ny Filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, izany. Politika ny fitantanana sy fanomanana ny fifidianana satria matoa vitsy ny tahan’ny mpandray anjara tamin’ireo fifidianana nifanesy farany dia satria noho ny fahatsapan’ny mpiray firenena fa tsy nampiova na inona na inona eo amin’ny fiainany ny fifidianana. Nanampy trotraka izany ny nanambaran’ny kandidà Rajoelina Andry nandritra ny fampielezankevitra nataony fa “tsy maintsy lany izy”. Mbola niena izany tamin’ny fifidianana solombavambahoaka satria efa nahatsapa ny mpifidy fa tsy maintsy ho lany izay kandidà niaraka tamin’ny filohan’ny Repoblika.

Politika no hahazoana miady amin’ny fahantrana sy ny tsy fanjarian-tsakafo ka matoa mahazo laka eto amin’ny Firenena ireo toe-javatra ireo dia misy “krizy” izany. Raha tsara sy nosainina ny namolavolana ny “politikam-panabeazana” dia tsy ho tonga amin’izao krizy eo amin’ny sehatry ny fanabeazana izao. Mitokona ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony satria tsy mandray ny vatsim-pianarana telo na efa-bolana ny mpianatra.

Mifamatotra amin’izany ny mpandaraharaha sy mandray anjara tamin’ny fanaraha-maso ny fitsarana ny fanadinana bakalorea izay tsy mandray karama na tambikarama. Politika no mahatonga ny orinasam-pirenena Air Mad bakirompitra satria nanan-kevitra nananganana orinasa hihotazany tombotsoa manokana nasolo azy ny tandapa. Krizy politika ara-tsosialy no naterak’izany satria mpiasa aman-jatony maro no very asa ka manatevin-daharana ireo roa ambisivifolo isanjaton’ny Malagasy miaina ao ambanin’ny tokonan’ny fahantrana (seuil de la pauvreté). Tsy fananana politikam-panarenana matotra ho an’ny Jirama no mahatonga ny tsy fitsaharan’ny delestazy sy ny olana ara-pamatsiana rano manerana ny Nosy.

Ny tranga etsy sy eroa eo amin’ireo sehatra ireo dia manaporofo fa misy ny krizy, tsy krizy ara-pitantanana na krizy pihariana na krizy ara-tsosialy ihany no aterak’izany fa krizy ara-politika ihany koa. Ny tena manahirana dia izany talen’ny kabinetra izany dia misahana ny politika anatiny sy ivelany ary ny tontolo manodidina izany ao amin’ny departemanta misy azy. Ka krizy eo amin’ny sehatra inona izany no fahitan’ny tandapa izay misy eto amin’ny Firenena nandritra izay efatra taona latsaka kely izay? Marina fa migolabina, manontany ny ory ary tsy misy krizy ao an-dapa ao kanefa kosa loza mitatao eo an-dohan’izay minia mitapi-maso amin’ireo krizy izay iainana ivelan’ny lapa sy eto anivon’ny Firenena ireo.