Fahalasanan’ny Mpanjakavavy Elisabeth II – Fantaro ny momba ny fanjakana Britanika

Nangonin’Isambilo

Niamboho afak’omaly ny Mpanjakavavy Elisabeth II, Mpanjakan’ny United Kingdom (UK) of Great Britain. Saika mitanondrika sy malahelo avokoa izao tontolo izao, noho ny fahalasanan’ity olona anisan’ny malaza indrindra eran-tany ity. Niamboho ny mpanjaka, na LONDON BRIDGE IS DOWN, izay koa no anisan’ny filazan’ny Britanika, ny mpanjaka miamboho any UK.

Niamboho teo amin’ny faha-96 taonany ny Mpanjakavavy ELISABETH II. Mpanjakan’i Royaumes Uni (UK) sy filoham-panjakana maromaro ao anatin’ny COMMONWEALTH. Lehiben’ny Fiangonana Anglikana maneran-tany koa izy. Izy no anisan’ny mpanjaka naharitra indrindra, satria 70 taona nanjakana. Raha ny tetiharana no jerena dia ny zanany lahy “PRINTSY CHARLES”, no mpanjaka handimby azy indray. Lasa Mpanjaka, na ROI, na King CHARLES III no anarana hisalorany amin’ny maha Mpanjaka azy.

Praiministra 15 no nifandimby teo amin’ny Fanjakan’ny Mpanjakavavy Elisabeth II. Teo amin’ny faha-25 taonany izy no notendrena hanjaka, nisolo an-drainy dia izao niamboho teo amin’ny faha-70 taonany tany Ecosse izao. Tamin’ny 8 ora sy sasany alina teo, na tamin’ny 5 ora sy sasany hariva tany Londres, no nivoaka ny fanambarana. Ny Mpanjaka sy ny Mpanjakavavy Britanika dia tsy manao politika ary tsy mahazo manao politika. Ny Praiminisitra no tompon’ny politika. Ny asan’ny Mpanjaka dia miantoka ny firaisankinam-pirenena na ny “unité nationale”.

Tamin’ny taona 1952 dia firenena 7 no teo ambany fahefan’ny Mpanjaka Elizabeth II amin’ny maha-mpanjaka sy filohan’ny andrim-panjakana azy:

1. The United Kingdom (Grande Bretagne)
2. Canada
3. Australie
4. New Zealand
5. South Africa (Afrique du Sud)
6. Pakistan
7. Ceylon (Sri Lanka).

Miisa 15 ny mpikambana ao amin’ny “Commonwealth realm” ankehitriny:

1. Antigua and Barbuda
2. Australia
3. The Bahamas
4. Belize
5. Canada
6. Grenada
7. Jamaica (Jamaïque)
8. New Zealand (Nouvelle Zelande)
9. Papua New Guinea
10. Saint Kitts and Nevis
11. Saint Lucia
12. Saint Vincent and the Grenadines,
13. Solomon Islands
14. Tuvalu
15. The United Kingdom (Grande Bretagne)

Ny fivondronana “Commonwealth of Nations”, izay ahitana firenena miisa 56 ankehitriny dia fivondronan’ireo firenena miteny Angilsy ihany koa izy ireo.

Ireo firenena mpikambana teo aloha saingy efa nisafidy ny ahaleo tena kosa dia:
1. Fiji
2. Ghana
3. Gambie
4. Inde
5. Irlande
6. Malawi
7. Nosy Maurice
8. Nigeria
9. Pakistan
10. Sierra Leone
11. Ouganda
12. Barbados (izay marihina fa vao nifidy ny ahaleo tena tamin’ny 30 Novembra 2021 teo), sns…

Raha ny fifandimbiasan’ny fitondrana ny fanjakana any UK ihany, ny Printsy Wiliam indray no ao aorian’ny Printsy Charles, na izay ho antsoina tsy ho ela Mpanjaka Charles III.