EDITO 10 Septambra – Fitondràna tsy miahotra na tsy menatra ny miala bala no misy eto

Soh’son

Io indray ilay fitondrana fa tsy miahotra na tsy menatra ny miàla bala. Niseho indray izany tato anatin’ny roa na telo andro farany izao tamin’ny nataon’ireo olom-boatendry vitsivitsy tsara toerana eo anivon’ny fitondrana.

Mazava loatra, tsy atao hahagaga izany, fa hiaro ny fitondrana no nanendrena azy ireo, fa tsy hitsikera na hanakiana ny fitondrana velively. Kanefa ny olom-pirenena mpanaraka ny raharaham-pirenena maharaka izany tsara na misy aza ny fanarian-dia samihafa azy. Teboka roa lehibe no asongadina eto tamin’ny nambaran’ireo olom-boatendry ireo, ny filohan’ny Hcc sy ny mpitondra tenin’ny prezidansa.

Ny an’ny filohan’ny Hcc, dia nanambara ny tsy hisian’ny famatorana aminy amin’ny filohan’ny Repoblika eo amin’ny lafiny politika sy amin’ny fitanany ny andraikitra, raha tsotsorina ny filazana azy. Ny ahiahin’ny olom-pirenena maro, dia hoe hisy ny firaisana tsikombakomaba amin’ny voka-pifidianana sy ny anaovana izay hampandaniana indray an’i Andry Rajoelina amin’ny 2023. Lazain’ity olom-panjakana ity anefa fa tsy mitombina izany ahiahy na tsikera izany. Amin’ny fomba ahona anefa no itokisan’ny olom-pirenena indrindra ireo mpifidy an’izany. Efa lasa lalina loatra mantsy ny elanelana manasaraka ny mpitondra toa azy ireo sy ny vahoaka ary efa tsy misy intsony ny fifampitokisana eo amin’ny roa tonta. Avy amin’ny nataon’izao fitondrana izao ihany anefa no nahatonga izany, fa tsy ny vahoaka akory. Na misy aza iny fanazavana nataony iny dia tsy hamaha ny toe-javamisy velively. Mihaino fe mihaino ny olona fa efa milasitra ao an-tsainy ny fipetraky ny raharaha.

Ny an’ny mpitondra tenin’ny prezidansa kosa, dia ny filazana fa tsy ilain’ny fitondrana ny fikaonandoha politika, fa momba ny sosialy na toe-karena no mety aminy. Filazana izay maneho mazava, fa izay ataony ihany no ataony, tsy ilaina ny feon’ny hafa, indrindra ny mpanohitra. Tsy isalasalana avy hatrany fa vao mainka mampirimorimo ny firenena hizotra amin’ny lalany efa kizo sy ratsy izany ka iaraha-mahalala ny hiafaràny. Nambarany ihany koa ny amin’ireo hateloana hiresahana ny drafitra fanandratana Madagasikara amin’ny faran’ny volana oktobra. Tsotra ny azo andikana izany, fialàna henatra fotsiny sisa fa efa miharihary ny fahatarana ny amin’izany. Efa hamarana taom-piasana vao hilaza ny drafitra toy izany. Drafitra izay nisehosehoana sy nidedahana mbola mialohan’ny fampielezan-kevitra fifidianana filoham-pirenena 2018. Efatra taona tsy nahavita niresaka nanazava izany, ka izao vao mody hiseho ho babany. Fialàna bala hanafenana ny tsy fahombiazana sy ny tsy fahakingana miasa io. Amin’ny zoro hafa aza dia lalana iray indray io hanariana dia ny vahoaka malagasy.

Olana maro samihafa mantsy eto amin’ny firenena no tsy voavahany hatramin’izay naha teo amin’ny fitondrana azy kanefa tena miankina amin’ny fiainam-bahoaka. Soa fa efa maro no mahatsapa sy mahalala ny “fikafika” lava ataon’izao fitondrana izao amin’ny vahoaka.