Artiste – Hanao tolo-tanana ho an’i Ninie Donia

Helisoa

Noho ny tsy fahasalamana izay mahazo an’i Ninie Donia ao amin’ny hopitaly Nosy be hell ville dia nanao hetsika tolotanana Cabaret izay hiarahana aminy artiste maro tsy ankanavaka ny zoma le 9/9/22 ao aminy Bonara Be chez Sha-Ya 67ha manomboka amin’ny 8 ora alina mandra-maraina ireo artista namany. Nisaotra an’ ireo mpanakanto maro namaly ny antso hoy ireo mpikarakara hifanome tanana. Miala tsiny amin’izay tsy tratra antso ihany koa hoy izy ireo fa antsika jiaby izy ity ka mangataka ny fahatongavanareo jiaby tsy ankanavaka. Tsy omena tsiny koa ny namana artista sasany tsy eto antoerana nohony antony maro samihafa,tournée sns…

Mangarahara ny tolo-tanana izay ataontsika satria nandefa solotenany avy any aminy i Ninie Donia hiaraka amintsika mandritra ny hetsika. Misy koa ny solontenan-tsika artiste miaraka amin’izy ireo, ary hambara ampahabemaso ny vola rehetra azo amin’io. Misaotra betsaka ho an’ izay efa nanampy nivantana any aminy.

Tsara marihina fa misy musicien matianina fixe vonona hi accompagnie izay Leader tonga handray anjaray aminy fotoana io,azonao atao koa mitondra hiranao raha anao show case ianao. Ity ny numéro raha toa ka mila an’i Ninie Donia mivantana 0349667993.
Misaotra any Sha-Ya Bonara Be nampiantrano. Misaotra Tompoko.