Raharaham-pirenena – Aoka mba ho fifidianana marina fa tsy ho fividianana sanatria

eharo

Notontosaina ny talata teo teny amin’ny foiben-toeran’ny Ceni Alarobia, ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa, teo amin’ny CENI sy ny EISA (Institut Electoral pour une Democratie Durable en Afrique ), ho fandavorariana ireo fifidianana ho avy. Fifanomezan-tànana mahasahana lafin’asa maromaro toy ny fanabeazana ireo mpifidy, ny serasera mikasika ireo tsara ho fantatra momba ny fizotran’ny raharaham-pifidianana, ary ny fampiasana manam-pahaizana sy matihanina samihafa mandritra ny zotram-pifidianana, no tena votoatiny, nefa hita foana ny banga sy ny lesoka ao anatiny rehefa misy ny olona maloto saina eo amin’ny mpiara-miasa, indrindra moa avy amin’ireo olon’ny fitondrana mbola manao be fitetika ny hiverina eo amin’ny toerany, mamikitra mafy ny sezany sy mitsipaka mafy ny mpifanina aminy.

Toe-javatra efa hita porofo ny toy izany, izay mahatonga ny maro hilaza hatrany, fa tokony hisy ny fikaonandoham-pirenena eo amin’ny rehetra, mba hanatsarana ny fotoam-pifidianana manaraka eo.

Tsorina fa mafy tamin’ny rehetra ny tsy rariny nataon’ny CENI teo aloha, izay nampiroborobo ny hala-bato sy ny tsy rariny samihafa, toy ny doublons, nefa izao sahady dia efa tahotra sy ahiahy no mianjady amin’ny daholobe, eny fa na dia ny Vondrona Eôrôpeana aza dia mahita izany koa, noho ny CENI sy ny HCC izay akaiky dia akaiky ny fitondrana avokoa raha ny mpikambana mandrafitra azy ireo no jerena.

Ny mifanolo-tànana amin’ny fikambanana vahiny dia fomba fanao avokoa, fa ny asa maizina ataon’ny mpitondra amin’izany dia mety tsy ho hitan’izy ireo, ka mahatonga ny rehetra hilaza tsy ankiato manao hoe: diniho akaiky io lalam-pifidianana tsy rariny io, aza atao ambanin-javatra ny fikaonandoham-pirenena. Aoka ho matotra amin’izao sefo fokontany ovaovaina amin’ny tsy rariny izao, ka mba ho fiFidianana marina, fa tsy fiVIdianana eo indray no hisy sanatria.