Rafanomezantsoa Jean Nirina – 3 taona nijoroana nahitambokatra ny fitsaboana nataon’ny FITRAMA

Fotoana tokony homezana sehatra ny fitsaboana nentimpaharazana izao satria ny 80% ny olom-pirenena Malagasy no mbola miaina ao anatin’ny fitsaboana nentim-paharazana.

Lalana iray nahafahana nandresy ny aretina Coronavirus teto Madagasikara ity fitsaboana maha Malagasy ity. Nilaza Rafanomezantsoa Jean Nirina Tale Jeneralin’ ny orin’asa FITRAMA Fitsaboana Tradisionely Malagasy) efa 3 taona izao no nijoroany, fa azo tsapain-tanana izany trangan-javatra izany nandritra ny fandraisana ny olona marary amin’ny alalan’ny « Huile essentiel » sy « Eau floral » avy amin’ny zava-maniry eto an-tanindrazana izay nitsaboana an’ireo karazana aretina rehetra nandritran’ ny fotoana nampiroborobo ny aretina Coronavirus.

Nanohy fanazavana ny Tale jeneraly Fitrama fa tokony homena sehatra manomboka izao ity sehatra fitsaboana izay manandratra ny maha Malagasy ity satria mahavita manasitrana an’ireo aretina sarotra tsaboina toy ny aretin’ny voa,ny aretin’ny fo,ny tosi-drà sy ny sisa izay tsy maintsy andanian’ny olona volabe hatrany ampitan-drano-masina.

Nanamafy Rafanomezantsoa Jean Nirina fa tsy maintsy mandalo dingana maro ireo mpitsabo nentim-paharazana izay mikambana ao amin’ ny ANTM ary mandalo fanadihadiana mandritran’ny taona maro ny mpitsabo nentim-paharazana iray izay vao mahazo fankatoavana hanatanteraka ny asa. Manaitra ny mpanapa-kevitra eto amin’ny firenena mba hiaro sy hanome tolo-tanana ny fitsaboana nentim-paharazana manoloana an’ireo olona manaratsy sy ma-noso-potaka an’ity sehatra fitsaboana ity. Nametraka sakana marolafy ireo olona na vondrona vitsivitsy ireo mba tsy hivelatra eo amin’ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena ny fitsaboana nentim-paharazana .