Paraina Auguste – Mety hiteraka korontana ny fifidianana ho avy raha miziriziry ny mpitondra

Stefa

Naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana ny mpanao politika Paraina Auguste tamin’ity herinandro ity, izy dia efa ministra, filohan’ny Antenimierampirenena ary efa Ambasadaoron’i Madagasikara tany Senegal ihany koa.

Nambarany fa mety hiteraka korontana ny fifidianana ho avy eto amintsika, raha miziriziry amin’ny heviny ny fitondrana Rajoelina. Nosoritany fa:” mitady hamitapitaka ny Vondrona Eôrôpeanina ny fanjakana, tsy tokony hanao vava be anefa izy ireo, satria mbola miankin-doha amin’ny vondrona iraisam-pirenena hatramin’izao.

Miziriziry amin’ny heviny ary mitady hikarakara fifidianana samirery ny fitondrana Rajoelina kanefa hita ihany, fa misy ambadika sy kajy tsy hisian’ny mpanaramaso avy any ivelany no tanjon’izy ireo. Tsy hisy hankato izay valim-pifidianana eo ny iraisam-pirenena ary hiteraka krizy eto Madagasikara indray ny bontolo tadiavin’izao fitondrana izao atao,” hoy ihany ity mpanao politika sady diplaomaty ity.