Ambilobe faritra Diana – Nijanona ho vato fototra ihany ilay orinasa mpanao ethanol

Stefa

Nijanona ho vato fototra ihany hatramin’izao ilay orinasa mpanao alikaola ethanol any amin’ny distrikan’Ambilobe faritra Diana. Neverin’ny fitondrana Rajoelina, fa ho orinasa mpanao ethanol lehibe indrindra aty Afrika anefa izy io. Ny volana martsa 2019 no napetrak’i Ramatoa Mialy Rajoelina, vadin’ny filohampirenena Andry Rajoelina ny vato fototra.

Araka ny nambara tamin’izany, tokony ho vita tamin’ny volana desambra 2019 ity orinasa hamokatra alikaola ethanol ity, saingy volana septambra 2022 isika izao, mbola vato fototra no misy ao ankehitriny. Neverina fa hamatsy ireo fatana vokarina handeha amin’ny alikaola io ozinina io, indrisy anefa fa lasa kobaka am-bava izany. Mangetaheta orinasa izay mihitsy anefa ny mponina any Ambilobe faritra Diana, satria azo lazaina ho maro ny tanora tsy an’asa any an-toerana. Hatreto izany, nofinofy ihany ilay ozinina hamokatra ethanol io, sy ilay asa maro ho foroniny.

Any amin’iny faritra iny ihany, hitokana ny lalana Ambilobe-Vohemara ny filoha Rajoelina amin’izao faran’ny herinandro izao, zava-bita noho ny fitohizan’ny fahefam-panjakana ihany anefa izany, satria efa tetikasa tamin’ny filoha teo aloha Hery Rajanonarimampianina izany lalampirenena RN5A izany.