EDITO 8 Septambra – Fitondrana tsy afa-desoka amin’ny fomba fiasa

Sôh’son

Saiky fahita amin’ny fomba fiasan’izao fitondrana Rajoelina izao, ny manjo an’ilay jamba amin’ny ohabolana malagasy hoe « soro-baton’ilay jamba, efa voa vao mihilana ». Ny matetika mitranga aza dia mby amin’ilay fiteny hoe « dokotera aorian’ny fahafatesana ». Maneho indrindra izany, fa tsy nahavita naminavina sy nisoroka mialohan’ny fotoana amin’ny mety hitranga eo amin’ny fiainam-pirenena mifandraika amin’ny fomba fitantanany ny fitondrana. Ny tsy azo lavina, niseho hatrany ny fomba fisainany tao anaty efa-taona latsaka izao ny amin’ny « rovitra omby tondro tsy miraika, fa efa omby loha vao mikoropaka ». Izany oha-pitenenana sy ohabolana samihafa izany no itarafana ny zava-nisy teto amin’ny firenena tato anatin’izao fitondrana izao. Anisan’izany ny zava-nitranga tany Ikongo ireny, na ny tany Ankazobe sy ny toeran-kafa mitovy tranga aminy, raha tsy hilaza afa-tsy ireo. Efa fahavoazana goavana no mitranga, efa lasa lavitra ny « aretina » vao mody mikoropaka, fa tsy hain’izao fitondrana izao mihitsy ny mifehy izany raha vao mipoitra na miandoha ny olana. Tsy fahaizana mitondra firenena izany n’inona n’inona fanazavana na adihevitra atao.

Misy tranga maromaro izao tsy mampihetsi-bolomaso sy tsy hahenoina teny avy amin’ny fitondrana na kely aza ka mba hitondrany vahaolana maika anaty fotoana fohy. Anisan’izany ireo hetsika samihafa fitakiana toy ny ataon’ireo mpiasa amina orinasam-panjakana maro izay efa tsy nandray karama am-bolana maro, ny an’ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony izay tsy miseho hatrany saiky isam-bolana amin’ny resaka vatsim-pianarana, efa tsy lazaina intsony ny zara vilana sy fiangarana eo anivom-piaraha-monina amin’ny fizarana fanampiana ara-tsosialy avy amin’ny fanjakana ; tsy adino koa, ohatra, ny tsy fitoviana eo amin’ny samy mpitatitra amin’ny misy fehezina ary misy manao izay mahadiavolana ny sainy amin’ny saran-dalana, sns.

Ny manahirana ny saina ny mahita sy mieritreritra azy dia ny sarambabem-bahoaka hatrany no mizaka ny vokatry ny tsy fahaiza-mitondra firenena sy ny tsy fahombiazana izay. Ilay vahoaka no mifafa hatrany ny kihony noho ilay fizahozahoana ho mahavita-tena irery ary tsy miraharaha sy tsy mivaky loha ny hafa tokony hiaraha-miasa ho amin’ny fanasoavana ny firenena. Ny niharihary, ny tena hain’izao fitondrana izao, dia namoritra sy nanao izay hanapotehana ny mpanohitra azy, ary nanampi-bava sy nanageja ny vahoaka anaty fahantrana tsy hihetsika haneho ny heviny malalaka amin’ny fahitany ny raharaham-pirenena. Mikasa hahazo amboara koa angamba izy amin’izany…