Fokontany Apandrasoa CR Mahasoa distrikan’Ihosy … Namono olona indray ny zandary

Ny Valosoa

Nitrangana vono olona indray tao amin’ny fokontany Apandrasoa distrikan’Ihosy.

Naneho ny alahelony ny fianakaviana nitantara ny zava-nisy tany antoerana. Ambin-trosa tsy voaloha ve no namonoan’ny zandary ny havanay? hoy ireo fianakaviana mitantara.

Voalaza fa nosamborina noho ny resaka trosa ity olona voatifitra ity. Efa voahefa ny 80%-n’ io trosa io fa kely sisa tavela, ka nentina tany amin’ny brigade GN Mahasoa izy.

Marihina fa ny Zoma harivariva dia nanatitra sakafo ny vinanto lahiny, dia nanome sakafo azy tao amin’ny birao dia navoaka ny garde izy. Afaka kelikely dia nangataka nipipi izy dia niteny ilay garde hoe sao dia hilefa anao? dia namaly izy fa tsy hilefa aho. Izaho vinanto lahiny anefa amin’io tonga teo antokontany ilay hoe hanatitra sakafo, tonga dia poa-basy no henoko sady nangovitra aho. Nojereko fa i Tondra mitsirara amin’ny tany teo Ambodisakoa ny birao no hitako.

Tonga avy tany moa le chef nitifitra azy nidaroka ahy niaraka tamin’ny namany miisa 6 teo angamba zay raha tsy diso aho nandaroka ahy ary nanery ahy hoe maneke anao fa ataovy nilefa i Tondra ka izay no nitifirana azy…

Miangavy ny Fitondram-panjakana mba hijery akaiky ity raharaha ty fa tena mampalahelo ny mahazo ny madinika indrindra moa ianao Atoa SEG, jereo akaiky ity raharaha ity fa lasa fanaon’ny zandary ity mitifitra olona tsy manan-tsiny ity hoy ny fianakavian’ny maty.

(Fanampiambaovao: araka ny vaovao azo farany dia voalaza fa mamo taoka ilay zandary)