EDITO 6 Septambra – Sahirana ny ray amandreny amin’ny fampidirana mpianatra

Beharo

Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny taom-pianarana vaovao 2022-2023 eto Madagasikara, raha ny fandaharam-potoana efa napetraky ny ministera mpiahy.

Maro ireo sekoly nanomboka izany tamin’ny alalan’ny fotoam-bavaka iraisam-pinoana. Tao ireo nanokana fety aman-danonana fohy, korana sy fanomezana fitaovam-pianarana sy fitafiana ireo izay mendrika tamin’ny taom-pampianarana nodiavina farany teo.

Tsy vitsy anefa ireo ray aman-dreny nilaza fa daty fidirana ity herinandro ity, nefa ankizy maro dia maro no mbola tsy voasoratra anarana noho ny tsy fahampiana ara-bola. Manampy trotraka izany ireo fitaovana tsy maintsy vidiana. Ny saram-pisoratana anarana sy ny saram-pianarana moa dia tsy maintsy aloha maloha raha sekoly tsy miankina. Ny saram-pisoratana anarana eny amin’ny sekolim-panjakàna EPP sy CEG dia maizimaizina ihany koa ny hoe tsy mandoha saram-pidirana. Eo ihany koa fividianana fitafiana mitovy, kitapo sy kahie ary fitaovana hafa koa ho an’ ny sekolim-panjakana sasany, izay tena hita fa sakana ho an’ireo sahirana sy kely fidiram-bola. Raim-pianakaviana mikarama 3 hetsy ariary isam-bolana ary mampiditra zanaka roa teny amin’ny sekolim-pinoana avaradrano no nilaza mazava fa 9 alina ariary isaky ny ankizy no nalohany raha vao avy nandray karama izy ny faran’ny aogositra teo, manampy izany ny hofan-trano kely 6 alina ariary, dia hita mazava fa tsy misy dikany intsony ny ambin-karama 6 alina ariary sisa ataony vidin-tsakafo amin’ity volana septambra hitsahina ity.

Tsorina hoy ity raim-pianakaviana mpanao asa fiambenana ity, fa ireo seho sy tranga ireo tokoa no miteraka ny olona hitady ny SITRANY HAHAY hatrany, ka lasa mitarika any amin’ny resaka fankam-panahy. Iza anefa no omena tsiny amin’izany?