Analalava : Fikambanana FILEA – Tadiavin’ny mpitondra any an-toerana ho ravàna

Helisoa

Feno 11 taona ny Association FILEA na ny Fikambanana Lemaka Angoaka Sud izay fikambanana tokana nahazo alalana tamin’ny ambarantongam-pahefana tamin’ ny taona 2011 hitantana sy hanara-maso ny lemaka lehibe ao Andengondroy, fokontany Am-batofalio, kaominina Angoaka Sud, disitrikan’Analalava.

Nomarihina tamin’ny 31 aogositra teo ny ivon’ny fankalazana ny tsingerintaona niforonan’ izy ireo. Misedra olana anefa ity fikambanana ity ankehitriny, dia ny tsy fananan’izy ireo mpiahy ka miteraka fahavoazana lehibe. Velarantany 2000Ha no hita amin’ity lemaka ity fa 600 Ha ihany no voatondraka sy azo iasana hatreto satria toha-drano na “barrage” vita amin’ny tany ihany no enti-manondraka ny tany.

Etsy ankilany koa tsy ampy anondrahana azy ny renirano Tsiribihina ka mangetaheta ny hitarihana rano avy amin’ny renirano Sofia ireo mpamboly mba hahazoana vokatra tsara sy hahafahana mamatsy ara-tsakafo. Mba miangavy Atoa Filoham-pirenena, Minisitry ny Fambolena mba hijery akaiky anay fa tena sahirana izahay amin’ity taninay ity, hoy izy ireo. Tany tokony hamokatra tsaraary antenaina hampihena ny fanafarana sakafo avy any ivelany ity toerana ity. Mahatsiaro lavitra andriana sy toa zanak’ikala hafa izahay satria tsy nisy mpijery hatramin’izay. Ny olom-boafidy aty aminay rahateo tsy miaraharaha anay fa ny hampahory anay no tena imasoan’izy ireo, ka mahatonga anay mitaraina”, hoy hatrany ny antsoantson’ireo mpikam-bana ao amin’ny FILEA.

Tantsaha mpamboly miisa 1600 avy amin’ny fokontany 04 dia Angoaka Sud, Antanamifafy, Ambatofalio ary Antsakoabe no mivondrona amin’ny fikambanana kasain’ny olom-boafidy any ifotony ho ravàna ity. Voalaza ho antony tsy aneken’ny mpitondra any an-toerana an’ity fikambanana ity dia ny tsy fisian’ny soniany amin’ny fangatahana hananganana ity vondron’ny tantsaha ity satria mbola tsy teo amin’ny fitondrana izy ireo tamin’izany fotoana, ka tadiavin’izy ireo harodana mba hananganany indray ny misy sonian’ny tanany. Eo ihany koa ny filazany fa tsy misoratra amin’ny fikambanana fa amin’ny anaran’olom-bitsy hoy izy kanefa nahazo fankatoavana tamin’ny anaran’ny fikambanana ity FILEA ity.