Vondrona Eoropena – Manahy ny fifidianana ho avy amin’ny 2023

Valosoa

Tsy manamafy ny fahatokisan’ny mpifidy ny fanatanterahana fifidianana amin’ny fomba demokratika ny fanendrena sy ny fisian’ireo olona akaiky ny fitondrana aminy toerana azo ahafahana manova ny valim-pifidianana hoy ny vondrona Eropeanina tao anatin’ny tatitry ny iraka fanaraha-maso ny fifidianana eto Madagasikara.

Na dia nanaraka ny rafitra apetraky ny lalam-panorenana sy ny lalàna aza ny fanendrena ny Filohan’ny CENI sy ny HCC dia olona akaiky ny fitondrana ireo notendrena ireo hoy ny tatitry ny iraky ny vondrona Eropeanina. Betsaka raha ny nambaran’ny tatitra ny zavatra izay mampiseho ny tsy fisian’ny fahafahan’ny rehetra mandray anjara sy mifampiresaka eo amin’ny sehatra Politika. Ny sosonkevitra 18 tamin’ireo 27 naroson’ireo iraky ny vondrona Eropeanina taorian’ny fanaraha maso ny fifidianana ny taona 2018, izay nila fanovàna na fanatsarana araky ny lalàna na araky ny lalam-panorenana dia tsy tanteraka araky ny tokony ho izy raha araky ny tatitra nivoaka. Isan’izany ny tsy maha-mahaleo tena ny CENI ny tsy fanomezahana antoka ny fahafahana maneho hevitra ho an’ny asa fanaovan-gazety sy fanaraha-maso ny fampiasam-bola eo aminy sehatra Politika.

Tamin’ireo olona 36 nilatsaka ho fidiana filoham-pirenena ny taona 2018 dia ny 7 no nanokatra kaonty tany amin’ny banky ilaina ho an’ny fampielezan-kevitra raha io tatitra io ihany. Ny 86,6% ny vola amin’izany dia nambara fa vola manokana na apport personnel izay tsy angatahana fanazavana ny tena fihaviany ka tena mampa-sarotra ny fijerena ny fiavian’ireo vola miodina amin’ny fampielezan-kevitra. Isany tsy napetraka momba ny CENI ohatra ny tokony nametrahana azy ho andrim-panjakana na institution d’état sy ny fahafahany mamaritra ny tetiandro amin’ny fifidianana toy ny ataon’ny CENI tamin’ny andron’ny Tetezamita.

Manamarika ny iraky ny mpanara maso ny fifidianana amin’ny maha-zava-dehibe ny fanovàna tanteraka ny sehatra araky ny Lalàna mahakasika ny fifidianana mba ahafahana manitsy ireo rehetra tsy nety nandritra ny fifidianana sy ny fanajana ny zom-pifidianana rehetra. Arak’izany dia mametraka ny ahiahy tanteraka amin’ny mety ho fizotry ny fifidianana aminy taona 2023 ny vondrona Eropeanina raha io tatitra nivoaka omaly io.