Mpianatra ao anatin’ny Grand Sud-Est Fédéral Fianarantsoa – Manameloka ny vonomoka tany Ikongo

Helisoa

Nisalotra akanjo mainty ny Alakamisy 1 septambra lasa teo ireo mpianatry ny Oniversite ao Fianarantsoa ao anatin’ny Grand Sud-Est Fédéral izay ahitana an’i Vatovavy-Fitovinagny-Atsimo Antsignana, ho fisaonana sy fanehoana fiaraha-miory amin’ireo mpiray tanindrazana any Ikongo, tamin’ny nahafatesana ain’olona maro ny alatsinainy teo.

Manameloka ny famonoana na fanalana ain’olona amin’ny endriny rehetra izahay, hoy ireo mpianatra tamin’ny fanambarana nataon’izy ireo. Koa mangataka amin’ny fanjakana ny hanaovana fanadihadiana lalina amin’ity raharaha ity: ny amin’ny niandohany sy ny antony nampisy izao zavatra mampalahelo izao.

Tany tan-dalàna i Madagasikara, ka aoka hihatra amin’ny rehetra ny lalàna, hoy hatrany ireto mpianatra ireto.