Famoizana aina sy naratra tany ikongo – Samy mena ny firenena sy ny mpitandro ny filaminana

Ny Valosoa

Manoloana ny tranga fitifirana olona tany Ikongo ka nahafatesana sy naharatrana olona maro dia naneho ny heviny ny solombavambahoaka Fetra Razafitsimialona voafidy tao amin’ny boriborintany fahadimy eto Antananarivo renivohitra, fa tsy matoky ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana intsony ny vahoaka malagasy ka nahatonga ireny amboletra tany Ikongo ireny.

Manahy mantsy izy ireo fa ho votsotra fotsiny ireo naka an-keriny ilay zaza varira sy namono ny reniny ka rariny ra maty mitovy aminy koa ireo efadahy nahavita ny heloka. Mbola tsy atokisan’ izy ireo ihany koa ny fitsarana satria ahiana ho votsotra ho azy ireo jiolahy na dia tsy mbola mahatapitra ny fe-potoana any am-ponja aza.

Tsy voafehy intsony ny fandriam-pahalemana eto amintsika hoy ity solombavambahoaka ity ary mitaintaina ny mponina manoloana ireo tranga samihafa eto amintsika. Na nilamina aza ny fitifirana hoy izy dia tokony natao koa ny fifampiresahana mba tsy hitera-doza toy ireny.

Nanamafy ihany koa ny solombavambahoaka Ramboasalama Emilien fa tsy voahaja intsony ny zon’olombelona ary tsy misy vidiny ny aina afoy toy ireny nitranga tany Ikongo ireny. Vokatry ny fahantrana sy ny fitiavan-tena io hoy izy ka tsy ny toerana nisy ny mpitandro ny filaminana tany Ikongo ihany no mena, fa efa menamena avokoa ny fiainan’ny vahoaka malagasy ankehitriny raha tsy hiresaka afa-tsy ny vidim-piainana tsy zakan’ny fahefamividin’ny vahoaka ankehitriny.

Miandry izay tena fatokisana sy fanjakana tsara tantana sy hanjakan’ny fahamarinana ny vahoaka malagasy hoy izy ary ho tsaraina amin’ ny fifidianana manaraka io amin’ny taona 2023.