Vitrine du Vakinankaratra – Ho tanterahana any Antsirabe ny 08 ka hatramin’ny 10 septambra

Aly

Ao aorian’ny JMJ Mada X, hetsika ara-pinoana amin’ity herinandro ity, hetsika ara-toekarena indray no hatao ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra ny herinandro ho avy io. Ho tanterahana any Antsirabe ny 08 ka hatramin’ny 10 septambra ho avy izao, ny hetsika ara-toekarena Vitrine du Vakinankaratra andiany faha-24.

Nambaran’ny mpikarakara, fa hampiharenan-doha ny orinasa sy ny harin-karena no anisan’ny tanjona amin’izany, tao aorian’ireny krizy ara-pahasalamana nihàtra tamin’ny firenena ireny, ka nisy fiantraikany be tamin’ireo orinasa samy hafa eto amintsika.

Mpikarakara izao hetsika izao hatramin’izay ka hatramin’izao ny Fiova, na ny Fivondronan’ny Orinasan’i Vakinankaratra, tarihan’ny filohany Ramarojaona Andrianjafy. Tranoheva mihoatra ny 200 no hanao fampirantiana amin’izany, ary mpitsidika manodidina ny 1 alina any ho any, no handrasana hoy ihany ny mpikarakara.