Kaominina Ambohitrimanjaka – Ampy hiatrehana ny main-tany ny famatsian-drano

Franck Razakambelo

Tsy misy atahorana ny famatsian-drano ho an’ny fambolem-bary (Vary aloha) ho an’ny taona 2022, hoy Andriamatoa Rabemananjara Rado Lalaina, Sekretera jeneraly eo anivon’ny Kaominina Ambanivohitra Ambohitrimanjaka distrikan’Ambohidratrimo. Nanohy fanazavana ity tompon’andraikitra ity, fa hizotra am-pilaminana ny tetiandro fanondrahana an’ireo tanimbary amin’ireo Kaominina miisa 3 manodidinan’Ambohitrimanjaka avy amin’ny Renirano Sisaony ary tsy hiova ny fitsinjarana ny rano isaky ny 15 andro, ho an’ny Kaominina tsirairay.

Ankoatra izany, nanambara Andriamatoa Radolalaina, fa efa vita ireo toha-drano andalovan’ny Reniranon’Ikopa mihazo an’i Betsimitatatra ary mbola betsaka ny “Reserve” na tahirin-drano amin’ireo lohasaha eo anivon’ny Kaominina, noho ny fisian’ny ranon’orana betsaka nandritra ny taona lasa. Nanamafy ny Sekretera jeneralin’ny Kaominina Ambohitrimanjaka, fa tsy hanana olana ny orin’asa tsy miankina iray mpamatsy rano fisotro madio amin’ny fari-bohitra Ambohitrimanjaka amin’ity taona ity noho ny fahabetsahan’ny rano ao ambanin’ny tany ary tsy ho sahirana amin’ny famatsian-drano ny isan-tokantrano, satria efa miaina amin’ny fanaovana lava-drano ny ankabeazan’ny mponina eny an-toerana.

Nanohy fanazavana ity tompon’andraikitra ity, fa hametraka “Borne fontaine” miisa 3, hiatrehana ny andro fahavaratra ny fiadidian’ny Kaominina Ambohitrimanjaka, miara-miasa amin’ny teknisianina Sinoa, mba hahafahana manatsara ny famatsian-drano ho an’ny vahoaka.

Miezaka manentana ny mponina mba tsy hanototra intsony an’ireo lohasaha hanamboarana trano ny fiadidian’ny Kaominina manomboka izao, satria toerana iray afaka mitahiry rano ny lohasaha.