Tim Frantsa, Vehivavy TIM Frantsa – Nanolotra fitaovampianarana ho an’ireo ankizy miisa 200

Ny Valosoa

Tsy mijery fotsiny ireo Malagasy mpiray tanindrazana aminy tratry ny fahasahiranana ny TIM Frantsa sy ny Vehivavy TIM Frantsa fa mitsinjo ka mitondra izay voatsirambin’ny tanany hanampiana azy ireo.

Tamin’ny fetin’ny fahaleovantena ny 26 jona teo ny vehivavy TIM Frantsa dia nanolotra akanjo mafana, fitafiana ary sakafo ho an’ireo mponina miisa 150 teny Akadikely Avaradrano. Ankehitriny, mahatsapa izy ireo fa mandalo fahasahiranana ireo ray amandreny amin’izao hakatoky ny fidiran’ny mpianatra izao, dia nanolotra fitaovam-pianarana ho an’ireo ankizy miisa 200 izy ireo toy ny kitapo, trousse, stylo, crayon ary labozia sy afokasika satria hiaraha-mahalala delestazy ankehitriny.

Ankizy mandrafitra ny faritra Analamanga no nisitraka ny fanomezana, ka tao amin’ny foiben-toeran’ny antoko TIM tao Belera Ampandrana no nizaràna izany. Nikarakara nanomana ny fizaràna ireo fitaovana tamin’izany ny vehivavy TIM Analamanga izay tarihiny Arphine Rahelisoa sy ireo birao mandrafitra ny distrika Avaradrano, Atsimondrano, Ambohidratrimo ary ny boriborintany 6 eto Antanarivo Renivohitra.

Tonga nanolotra ny fanomezana fitaovan’ny mpianatra tamin’izany ny SG ny antoko TIM Rina Randriamasinoro sy ireo birao politika miaraka aminy. Zavadehibe hoy Rina Randriamasinoro izao fanampiana izao, izay hisaorana ny mpanome nahafoy vola sy fitaovana ho an’ny mpiray tanindrazana aminy. Fa ny filohan’ny TIM Analamanga ihany koa dia nisaotra ny vehivavy TIM Frantsa sy ny TIM Frantsa, hiriana hatrany hoy izy ny hisian’ny fiaraha-miasa toy izao. Maro koa ny adidy miandry ka ilaina foana ny fifanohanana amin’ny lafiny rehetra. Nisaotra ihany koa ireo vehivavy TIM Analamanga Arphine Rahelisoa tamin’ny nahatontosà izao fizaràna fitaovana ho an’ny ankizy izao satria tsy mora ny manao zavatra.