Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara FFKM – Miantso ny manampahefana hampitsahatra ny herisetra

Helisoa

Manoloana ny zavatra nitranga nitranga namoizana ain’olona maro teto amin’ny firenena, izay ny farany indrindra tamin’izany ny vonomoka natao tamin’ireo mponina tany Ikongo, dia namoaka fanambaràna iombonana ny FFKM na ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara.

Nisongadina tao anatin’ny hafatra ny fiantsoana ny manam-pahefana eto amin’ny firenena mba hampitsahatra ny herisetra. Teo ihany koa ny Ray amandreny ampanahy dia nanamafy ny antso nataony farany ny 17 jolay 2022 ny tokony hifanatonan’ny mpitondra fanjakàna sy ireo hery velona eto amin’ny firenena, hifampidinika sy hiaraka hientana hijerena hifotony ny olana ka hitadiavana vahaolana maharitra.