Raharaha Ikongo -Tokony hiala ny ministry ny fiarovana, ny fitsarana, ny polisy ary ny zandary

Ny Valosoa

Raharaha fandripahana olona tany Ikongo faritra Fitovinany, tokony hiala ireo ministra tompon’andraikitry ny filaminana sy ny fandriampahalemana eto amintsika dia ny ministry ny fiarovam-pirenena, ny ministry ny fitsarana, ny ministry ny polisy ary ny sekreteram-panjakana misahana ny zandarimariam-pirenena, satria tsy mahavita ny adidiny intsony izy ireo. Raha ny hamoritra ny tsy mitovy hevitra amin’ny fitondrana dia hain’izy ireo izany, fa raha hitandro ny filaminana sy ny fandriampahalemana manerana ny Nosy mihitsy dia azo lazaina ho aotra (0) ny naoty, na ny isa azo omena azy ireo.

Raha vao misy ny hetsiky ny mpanohitra, na ny hetsiky ny tsy mitovy hevitra amin’ny fitondrana, rezimanta be tsy misy toy izany no hahetsika: OMC mihitsy, izany hoe vondron’ny mpitandro filaminana: miaramila, zandary ary polisy avy hatrany no hehetsika hanakana ny hetsika fanehoan-kevitra am-pilaminanana atao. Misy ny baomba mandatsa-dranomaso na lakrimôzena sy bala fingotra ampiasain’izy ireo. Fa nahoana tamin’ny hetsiky ny vahoaka tany Ikongo, tsy nisy izany baomba mandatsa-dranomaso izany, na bala fingotra, nanaparitahana ireo vahoaka nitaky ny famoahana ireo jiolahy hatao fitsaram-bahoaka, fa tonga dia bala tena izy no nitifirana ireo mpanao fihetsiketsehana tany an-toerana.

Tompon’andraikitra tsy afa-miala amin’izany ny ministra rehetra misahana ny filaminana sy ny fandriampahaelmana dia ny ministry ny fiarovam-pirenena, ny ministry ny polisy, ary ny misahana ny zandarimariam-pirenena. Dokotera ao aorian’ny zavatra efa mitranga, mba tsy ilazana hoe dokotera ao aorian’ny fahafatesana hatrany izy ireo, toy ny nitranga tany Ambolotarakely Ankazobe, ny tany Ifanadiana, ary izao tany Ikongo izao. Efa nahavita ny zava-dratsy nataony hatrany ny jiolahy, vao mody mandray fanapahan-kevitra izy ireo. Manginy fotsiny ireo miaramila, zandary, polisy tsy voafehy amin’ny asany.

Ny any an-tampony mihitsy no matsatso matoa mivoana ireo olom-pehezin’izy ireo. Vao omaly no ho omaly no nanao ny nataony ny zandary kôlônely iray talen’ny kabinetran’ny faritra tany Maintirano faritra Melaky. Namaky ady tamin’ny polisy, namoaka ny mpampiliny tany am-balam-pamonjana kely na violon. Miaramila roa namono zandary tany Imerintsiatosika distrikan’Arivonimamo faritr’Itasy andro maromaro lasa izay, raha tsy hilaza afa tsy ireo. Manao ny ataony ireny miaramila madinika na lehibe ireny, satria ny avy any an-tampon’ny fifehezana mihitsy no tsy mahafehy ilay resaka filaminana sy fandriampahalemana intsony.

Momba ny ministry ny fitsarana indray, efa volana maromaro no nandalo teto amintsika ny rivo-doza ka nahasimba ny fonjan’Ikongo, nahoana no tsy namboarina izany, fa ny fonjan’i Sainte-Marie any amin’ny faritra Analanjirofo indray, no nahamaika ny nanao sy ny nandoko azy ho volon-daoranjy? Vokany, gadra maro efa ho 100 mahery no nivoaka ny fonjan’Ikongo, tsy nandositra, fa nivoaka fotsiny tamin’izao, satria malemy ny fefin’ny fonja. Ny gadra nandositra ny fonjan’i Farafangana faritra Atsimo Atsinanana volana maromaro izay, maro amin’izy ireny no mbola tsy voasambotra dia izao indray voafonja maromaro any Ikongo mbola tsy tratra. Ny dikany, misy zavatra tsy milamina mihitsy ao amin’ny ministeran’ny fitsarana ao, ka fahendrena no mametra-pialana ihany koa ho an’ny ministry ny fitsarana.

Raha tena hendry sy manaraka ny fenitra Repoblikana ireo ministra 4 misahana ny filaminana sy fandriampahalemana eto amintsika ireo, tokony hahatsapa tena izy ireo ka hanipy gant na fonon-tanana, satria izy ireo mihitsy no efa tsy izy intsony. Am-bava homana am-po mierotra!