Fifidianana amin’ny taona 2023 – Fidio aloha ny sefo fokontany hoy alain ratsimbazafy

Ny Valosoa

Manoloana ny fanavaozana ny lisi-pifidianana eto Madagasikara izay niteraka resabe tamin’ny fifidianana farany teo teto Madagasikara dia naneho ny heviny ny solombavambahoaka Alain Ratsimbazafy voafidy teny amin’ny distrikan’Antananarivo atsimondrano fa tokony soloina amin’ny alàlan’ny fifidianana aloha ireo sefo fokontany fa tsy tendrena toy ny teo aloha intsony.

Misy akony amin’ny fatokisan’ny vahoaka amin’ny fifidianana mantsy izay sefo fokontany lanim-bahoaka satria mba mihena amin’izay ny hala-bato. Raha tsiahivina mantsy dia miainga eny anivon’ny fokontany ny lisitry ny mpifidy ary tonga any amin’ny ambaratonga samihafa. Anisan’ny sakana amin’ny tsy fahavitrihan’ny olona tonga mifidy mantsy ny lisi-pifidianana satria tsy matoky ny vahoaka.

Andrasana arak’izany ny fandraisan’ny fanjakana andraikitra momba ity fifidianana sefo fokontany ity satria antoky ny fahamarinana sy ny fangaraharana io manoloana ireo hosoka sy hala-bato mateti-pitranga teto amintsika.