EDITO 3 Septambra – Fanatanterahana ny fifidianana : tsy mbola milamina mazava ny momba izany hatreto

Sôh’son

Ankoatra ny fiandrasana izay ho fanadihadiana nambara fa efa nosokafana momba ny zava-nitranga marina tany Ikongo, dia mbola mitoetra ho adihevitrabe eto amin’ny firenena ny momba ny amin’izay ho fanatanterahana ny fifidianana amin’ny taona 2023. Hatreto na misy aza ny asa ataon’ny eo anivon’ny Ceni na ny amin’izay hanombohana ny asa amin’izany, dia mbola hita fa tsy mivaha ny olana miteraka ny ahiahin’ny olom-pirenena indrindra ny mpanohitra. Anisan’izany ny amin’izay hampagarahara marina sy hampadio ny fifidianana. Ny ahiahy tsy ihavanana, ary izay no mitoetra hatreto eo amin’ny fitondrana, ankilany, sy ny mpanohitra sy ny mitovy hevitra aminy rehetra andaniny. Mbola mitombina hatreto, raha ny fahitana ny raharaha ny ahiahy samihafa, manoloana ny zava-nisy tamin’ny fifidianana rehetra teo aloha nahafahan’izao fitondrana izao tonga teo amin’ny toerana. Raha tsiahivina, anisan’izany ny « doublon » tamin’ny lisi-pifidianana, raha tsy hilaza afa-tsy izany ihany, satria niaraha-nahalala tsara ireo paipaik’ady samihafa nitranga nanerena ny voka-pifidianana hifanaraka amin’ny kinendrin’ireo te-handrombaka ny fitondrana.

Vao mainka nanamafy ny ahiahin’ny maro ihany koa anefa tato ho ato ny zava-nitranga teny anivon’ny fokontany maro samihafa tamin’ny fisian’ny fanoloana sefo fokontany. Tranga izay niseho miditra amin’izao fanomanana ny fifidianana izao izany ary mampametra-panontaniana ny maro hoe: fa nahoana no amin’ny fotoana toy izao no anaovana izany. Amin’izay indray ny hetahetam-bahoaka toa zary iniana tsy henoina, toy ny fametrahana ny sefo fokontany amin’ny alalan’ny fifidianana ataon’ny mponina ao amin’ilay fokontany fa tsy tendrena avy any amin’ny tomponandraikitra ambony akory. Mazava loatra, fa tsy miàla ao anatin’izany tranga izany ny kajikajy politika maloto na inona fanazavana na inona. Izany toe-javatra izany, dia mitarika ny sain’ny olom-pirenena tsy hahatoky ny fanatanterahana ny fifidianana izay takin’ny vahoaka.

Na ny fikasana hanao refonte ny lisi-pifidianana, na ny fanentanana ataon’ny Hcc, na izay fanovàna ny lalam-pifidianana sns… koa anefa dia tsikaritra, fa mbola tsy ampy hametraka ny fitokisana ny hampamangarahara sy madio marina ny fifidianana izay hotanterahina eto amin’ny firenena amin’ny hoavy. Mbola sarotra ny hino fa ny hetahetam-bahoaka marina no hivoaka eo. Hatrany amin’ny fitaovana fanisam-bato eny anivon’ny Ceni aza mbola mampanahy ny mpanadihady satria toa tsy misy resaka ny amin’izany, fa ny nampiasain’ireo mpikambana teo aloha ihany no ao. Manampy izany, ny fanakianana na fanamarihana nataon’ny iraka eoropeana mpanara-maso momba ny fizotry ny fifidianana teo aloha dia zary nanorisory ny avy eo anivon’ny fitondrana, fa tsy mba noraisiny amin’ny fomba fisainana misokatra mandala ny hanatsara ny fanatanterahana ny fifidianana eto amin’ity firenena ity. Miankina amin’izany anefa ny handrosoan’ny firenena.