Tiako i Madagasikara Toamasina – Avadika asa ny toromarika nomen’ny filoha Ravalomanana

Helisoa

Nandalo tany Toamasina ny filoha Marc Ravalomanana ny faran’ny herinandro teo nanatrika ny fihaonamben’ny tanora kristiana STK FJKM. Nandritra ny fandalovany tany antoerana dia nisy ny fihaonana tamin’ireo lohandohany mpitarika ny antoko TIM ao Toamasina, ka nanomezan’ny filoha Marc Ravalomanana toromarika ho azy ireo.

Antoko miaina ary manana ny vina amin’ny ho avy ny antoko Tiako i Madagasikara ka mijery amin’ny fomba rehetra izay hampiroboroboana azy. Ny fifidianana rahateo efa miha manakaiky ka tsy maintsy miomana amin’ny zavatra rehetra. Nisy araka izany ny fivoriana niarahana tamin’ireo mpitarika tany antoerana ny alatsinainy 29 AOGOSITRA teo, izay notarihin’ny mpandrindra nasionaly ny antoko TIM Jean Claude Rakotonirina sy ny filoha lefitra nasionaly ny antoko TIM Faritany Toamasina Randriatsalama Jacquie ary ireo birao mitantana ao Toamasina.

Tonga nanatrika izany ny mpitarika ny vehivavy TIM, tanora TM ary ireo sampana TIM any antoerana. Nivoitra nandritra ny fihaonan’ny birao politika nasionaly TIM sy ireo tompon’andraikitry ny antoko tao Toamasina fa avadika asa avy hatrany ireo toromarika nomen’ny filoha Marc RAVALOMANANA nandritra ny fandalovany tao antoerana. Ny zavadehibe miandry araka ny nambaran’ny mpandrindra nasionaly Jean Claude Rakotonirina dia hajoro ireo andrimaso mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana izay ho avy tsy ho ela amin’ny taona 2023. Eo ihany koa ny fananganana ny komity comite de vigilance eny amin’ny fokontany hanaramaso ny ny lisimpifidianana izay havaozina tanteraka araka ny nambaran’ny CENI.

Ankoatra izay dia manentana ny faritra rehetra ao amin’ny faritany Toamasina tsy hatoritory manandraharaha, fa adidy mavesatra no miandry antsika hoy ny filoha Lefitra nasionaly TIM faritany Toamasina Randriatsalama Jacquie.