Fampianarana ambony – Mitroatra indray ny mpianatra eny Vontovorona

Isambilo

Migrevy sy mitroatra indray ny mpianatra eny amin’ny Oniversite pôlyteknika eny Vontovorona Antananarivo Atsimondrano amin’izao fotoana. Nisy ny hetsika fanakanan-dalana, sy tora-bato ary fifandonana tamin’ny mpitandro filaminana tamin’izany. Mitaky ny vatsim-pianaran’izy ireo mbola tsy azo ireto mpianatra ireto, misy koa ireo mbola tsy nahazo mihitsy izany vatsim-pianarana izany, na efa nanao fanitsiana sy fitarainana tamin’ny tompon’andraikitra aza izy ireo.

Fitondrana variana amin-javatra hafa sy rendrarendra izao fitondrana Rajoelina izao, fa tsy mijery izay tena olam-bahoaka sy ny olan’ny mpianatra, ny olan’ny mpiasa samihafa, koa tsy mahagaga raha tsy voaloany toy izao hatrany ny volan’olona.

Mbola mitoetra hatrany hatreto ny filazana izao fitondrana Rajoelina izao hoe: “fitondrana tsy mahaloa, na tsy mpandoa volan’olona.”