NY AFOMANGAN’NY FILOHA

Afomanga? izany ve ilay “ketrika” ho fanomezana?
Tena zavatra voadinika? etsy kely ihomehezana!
Izany no hanodinan-tsaina sy hanambazana fiangonana,
Noho ny hetsi-panoherana sy karazam-pitokonana?

Afomanga? izany ve no vahaolana mandaitra,
Manoloana ny olam-piainana tena mafy sy mafaitra?
Moa hitondra hamamiana ka hanala ngidim-bava,
Sa vao mainka hampiaka-pofona ireo izay mandry fotsy lava?

Afomanga? izany ve no tena mendrika hojerena?
Dia ahoana, moa tsy hasiana ilay fisaonam-pirenena,
Manoloana ireo vahoaka novonoina tamim-basy,
Sa dia efa niova be ny kolontsaina Malagasy?

Afomanga? mandiniha re ry mpitondra tia mampiesona,
Fa matoa nijoboka io dia tokony ho fakana lesona.
Aza dia ny rendrarendra no hany atao ho lohalaharana,
Fa raha ‘zay no mbola hitohy dia ny krizy tsy hifarana!

TSIMIMALO (01-09-22)