EDITO 1 Septambra – Miharatsy hatrany ny lalan-kizoran’ny firenena

Sôh’son

Miditra sahady amin’ny volana fahasivy amin’izao taona diavina izao isika ankehitriny. Mihazakazaka ny andro sy ny volana ary volana efatra sisa araka izany dia hivalona ny taona. Toy izany koa anefa ny zava-misy sy mitranga eto amin’ny firenena, indrindra ny fitrangan-javatra manimba na manaratsy endrika mihitsy ny firenena saiky miseho isan’andro vaky izao. Anisan’izany ny zava-nitranga tany Ikongo izay nahavaky fo sy nandona ny sain’ny olom-pirenena maro.

Efa be resaka sy ny famakafakana ny amin’izany manoloana ny fihetsiky ny lazaina ho tandroka aron’ny vozona sy mpiaro ny vahoaka sy ny fananany. Teo ihany koa ny fihetsika sy ny teny nambaran’ny mpitondra isan-tsokajiny miainga amin’ny filohan’ny repoblika. Malagasy mandatsaka aina sy rà malagasy mpiray tanindrazana aminy. Mbola miseho izany ankehitriny ao anatin’izao fitondrana Rajoelina izao izay mihambo ho mahatsapa sy mahalala ny iainam-bahoaka. Aoka tsy ho adinoina fa mipetraka ho tantara, nambaran’ny Andry Rajoelina tao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina Mahamasina indray andro, nanoloana ny vahoaka mpanohana azy sy tamin’ny lampihazo mirenty mahazatra azy ireo hoe: “tsy hisy intsony, ary tsy azo ekena ny hisian’ny Malagasy mandatsaka aina sy rà Malagasy”. Ny nitranga tamin’ny 7 febroary no tao an-tsainy sy antony nilazany izany tamin’izay.

Ankehitriny, efa-taona latsaka kely tamin’ny nitondrany, mitranga sy nataon’ireo olom-peheziny izany. Ny hany mba nambarany aza dia hoe hosokafana haingana ny fanadihadiana. Raha vao miresaka na miteny hoe “fanadihadiana” koa anefa ny fitondrana dia ny an-tsain’ny olom-pirenena maro ny amin’ireo zava-nitranga maro, izay nisy nahafatesana mpiray tanindrazana toy ny tao anaty hetsika nataon’ny mpianatra tany amin’ny oniversitén’i Toamasina na ny tany Toliara, izay nilazana fa hanaovana fanadihadiana kanefa hatramin’izao tsy hita izay tohiny sy niafaràny. Araka izany tsy nampiraika ny olom-pirenena ny teny nambaran’i Andry Rajoelina, fa niteraka ahiahy aza fa ho very an-javony toy ny raharaha maro ilain’ny vahoaka fanazavana sy mangarahara ka hanambarana ny marina.

Ny ahian’ny mpamakafaka sy mpanaraka ny raharaham-pirenena aza, dia ny mbola hitohizana na ny hitrangan’ny toy izao ihany any aoriana raha mahita ny fihetsik’ireo lazaina ho mpitandro filaminana tsy misaina afa-tsy ny baiko nomena azy amin’ireo mpanohitra sy mikasa haneho hevitra na dia amin’ny faritra voafefy aza. Anisany ny antony anambarany izany ny nitranga teny amin’ny Magro Behoririka ireny sy ny tany amin’ny faritra samihafa toy ny tany Antsiranana na Mahajanga sy ny toeran-kafa. Mampanahy fatratra ny lalan-kizorana na ny hitondrana ny firenena, ary io no efa ambara mandrakariva vao tany am-piandohan’izao fitondrana izao aza izany, fa mandeha amin’ny lalana mikitoantoana na lalan-dratsy ny firenena. Vao mainka manamarina izany ny zava-misy tato ho ato.