MPITONDRA TIA MITETY TANY

Hatreto tsy ahitana vokatra ry zareo mitety tany,
Fa ny fahoriam-bahoaka no mitohy hatrany hatrany.
Fanalana fanaintainana, tsy mitoetra fa mandalo,
Izay no hany tetikadiny noho ny tahotra an-dRavalo!

Ny voandalana mba entiny ary hita ho mitobaka,
Dia ronono an-tavy hatrany miampy esona sy kobaka.
(Mody hafatratra an-kitapo izay mivolona voasary.)
Izay no tena misongadina ary koa mibaribary!

Dia omena vatsy kely ho tampi-maso ny vahoaka,
Fa ny saron’ny vilany efa atahorana hipoaka.
Avy eo midera tena indray ireo efa tsisy kalitao
Fa hoe mijery antsika fatratra, hono, izao tontolo izao!

Mijery antsika Malagasy diso lalana tokoa,
Satria ny zava-mahamaika dia ireo tsy mahasoa.
Ireo karazan-drendrarendra no hany tena lohalaharana,
Ka dia mihemotra hatrany fa tsy misy fivoarana!

Mijery antsika Malagasy tena manam-be an-tanana,
Saingy indrisy, saingy indrisy, lavitry ny fiadanana,
Fa mpitondra sy ny akama no mampiasa hafetsena,
Ka mitavana, manondrana ireo haren’ny firenena!

…Tena tsy ahitana vokatra ry zareo mitety tany,
Fa midika ho tampi-maso fandanianiam-poana hatrany.
Ka dia tsotra anio ny teny avy amin’ny gasy leo sy fay:
Mialà fa aza tia mibitaka amin-javatra tsy hay!

TSIMIMALO (23-08-22)