EDITO 30 Aogositra – Manome bala hitifirana azy Ra Fanjakana

Beharo

Hita sy tsapa ankehitriny raha ny lohanteny no jerena fa mitifi-tena, mandrora mitsilany tokoa ra-fanjakana hoy ireo olona izay tafaresaka tamin’ny gazety Ny valosoa vaovao. Maro ny antony ilazana izany ary efa hita porofo avokoa na ny lafiny ara-tsosialy, na ny lafiny ara-barotra, fiaraha-monina sy ny sisa nefa moa ny ara-politika no efa tsy maty ao an-tsain’ny maro satria efa miparitakaka eran-tany sy manala-baraka mihitsy moa.

Ny teny hoe demokrasia dia tsy manaitra ny maro intsony, ny laharam-pahamehana dia tsy fantatra fa ny manara-penitra hatrany no atao takon’henatra hoy ny maro. Ny teny hoe: Ra-Gôva koa ohatra, dia efa tsy nankasitrahan’ ny rehetra mihitsy. Ny fomba nandaniana azy aza dia efa tao anatin’ny lalam-panorenana sadasada, ekipa iray ry ra-gôva nefa mbola misy mahavita toetra mamoafady manoloana vehivavy vahiny mpamita iraka hatrany tany alaotra mangoro, ka manala baraka tanteraka sady manapaka fiaraha-miasa, hanao ahoana ny ekipa ra-Gova raha izao ny zava-misy?

Ny fifampitondrana moa dia efa matsatso eo amin’ ny samy mpitondra, ny tandrevaka efa tsy tambo isaina any amin’ireo ministera, karama tsy voaloa, volamena very, grevy….., nefa dia mbola hodian-tsy hita ihany ireo fahavoazana. Nolazaina fa indostria 107 no noforonina tao anatin’izay 4taona nitondrana izay, nefa ny sasany aza efa ela netezana dia hanaovana resabe eny foana. Eo ohatra ny Sirama mpamokatra siramamy sy toaka toa lasa orinasa mpanao sandoka amin’ny loka izay omena, tirage au sort ny num. finday dia hoe mahazo fiara 4×4, moto sy ny sisa, nefa na siramamy aza toa tsy hitan’ny mason’ny mpanjifa intsony. Ireo izay hamidy ankehitriny efa tsy takatra tojo hatramin’ny 4800ar/kg, satria avy ivelany. Eo koa ny vary tsinjo izay lalan-diso avokoa rehefa tonga ety amin’ny sehatry ny mpanjifa. Lasa atao tapomaso sy takom-bava avokoa ny politikan-dRajoelina.

Maro ireo olona voalambolambo amin’ny fanomezana vary kely sy menaka 1litatra dia very dia amin’izany. Hita anefa fa na izy lasa any Tunis aza mandeha tsy manao veloma ary mety ho tonga tsy miarahaba koa aza, dia efa fanaovana tsinontsinona avokoa, ka tokony ahatongasaina ny rehetra ihany.