Mpampianatra sy mpiambina ny fanadinana BACC – Mbola tsy azo ny volan’izy ireo nanomboka ny taona 2018

Mpampianatra sy mpiambina ny fanadinana BACC

Helisoa

Leo ny fampanatenana poakaty ataon’ny tompon’andraikitra. Nanome 72 ora ireo tompon’andraikitra nanomboka ny alakamisy teo ireo mpampianatra sy mpiambina ny fanadinana Bakalorea amoahana ny volan’izy ireo nanomboka ny taona 2018.

Nilaza ny hanao hetsika mafimafy kokoa ireo mpampianatra raha tsy mivaly ny fitakian’izy ireo ao anatin’izay fe-potoana izay. Nanatanteraka diabe niakatra teny Ambotsorohitra izy ireo, ary tsy noraisin’ny fiadidian’ny repoblika tamin’ny fotoana nifanaovana taminy noho ny lanonana fandraisana ireo atleta mpanao basket raha ny fanazavana. Hoy indrindra izy ireo : « Raha ny Zavatra marina sy fantatray dia efa nomen’ny Fanjakana ny resaka vacation ana Bakalorea fa mety lanin’ny ao aminy oniversite ao. Tany amin’ ny ministera izahay dia nisy porofo mihintsy nomen’ny minisitra anay hoe “ity ilay porofo”. Dia izay olona natoninay rehetra teo anivon’ny fitondram-panjakana dia nanome porofo. Tao amin’ny fiadidian’ny Filohan’ny repoblika izahay dia nanome porofo anay zareo hoe: efa nomena an-dry zareo ity vola ity. Ilay oniversite mihintsy no minia mihinana ny volanay. Tena tsy mety ny ataon’ny filohan’ny oniversité sy ilay DAF oniversite ireo. « Mangataka mihitsy re zahay tompoko, tsy volanareo no angatahanay fa anay. Zo anay ilay izy ary ny asanay efa vita ara dalàna. Lasa minimiser nareo mihintsy ilay mpampianatra e ! ».

Raha ny zavatra hita tamin’ity fitondràna ity aloha dia hainy ny mifanipy baolina araka ny fitenin-jatovo hoe efa nalefa any amin’ izao ny vola sns fa zareo no tsy mandoha. Nandray fanampahan-kevitra manoloana izany ve ny fitondrana foibe na ny minisitera mpiahy sa mijery fotsiny?