Tiako i Madagasikara Faritra Atsinanana – Tany Mahanoro no notsidihan’ny mpandrindra ny TIM Atsinanana

Blandine Voizy, mpandrindra TIM faritra Atsinanana

Helisoa

Tsy matoritory ny mpikatroka TIM manerana an’i Madagasikara na misy aza ireo sakantsakana maro sy ny antsonjay atao amin’ity antoko ity izay atahoran’ny fitondrana Andry Rajoelina mafy.

Nisy ny fitetezam-paritra ataon’ireo mpitarika ny TIM any amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Raha ho an’ny Faritra Atsinanana manokana dia taorian’ny fihaonana tamin’ireo tompon’andraikitry ny TIM tao Toamasina dia nitohy tao Mahanoro ny fitetezana ny distrika nataon’i Blandine Voizy, coatch na mpandrindra ny Tiako i Madagasikara TIM faritra Atsinanana, sy ireo mpiara-miasa aminy.

Ankoatra ny fampitam-baovao dia nisy ny dinik’asa sy toromarika ho fanohizana ny fameloma-maso ny antoko izay niarahana tamin’ireo tompon’andraikitry ny TIM ao anaty rafitry ny antoko: distrika, Vehivavy TIM sy ny Tanora TIM, ireo olom-boafidy, ireo ben’ny tanàna teo aloha ary ireo solotenan’ny olobe tao an-toerana.

Fa tsy nataon’ny mpandrindra nasionaly Voizy Blandine làlana andehanana sy zanak’Ikalahafa ny distrikan’i Vatomandry fa nisy ny fihaonany tamin’ireo mpitarika TIM tao an-toerana izay nomena toromarika sy nilazana ireo vaovao miainga avy amin’ny antoko.