Mpanolotsaina ny tanàna Clemence Raharinirina – Ahoana no atokisana olona mivadika amin’ny teny nomeny ?

Helisoa

Vaky vava ny mpanolotsaina ny tanàna fa tadiavin’ny ben’ny tanana Naina Andriatsitohaina hiverenana ho dinihana indray ny LAHADINIKA mikasika ny raharaha taxi moto izay efa nolavin’ny mpanolotsaina ny tanana miisa 49 teo aloha.

Raha nandefa ny taxi-moto ho ankatoavin’ny mpanolotsaina ny ben’ny tanana vazahabe tamin’ny volana aogositra tamin’ny taon-dasa hoy Clemence Raharinirina mpanolotsaina ny tanàna dia hoy izy taminay mpanolotsaina tamin’izany hoe “na izy ireo mandrara dia hajaiko ny fanapahan-keviny toy ny efa nataoko tao anatin’ny herintaona sy tapany”. Dia noraràn’ny mpanolotsaina 49 amin’ny 54 ny fandefasana ny taxi-moto ny volana aogositra 2021.

Saingy izao dia fantatray fa mbola ity farany ihany no mamerina mandefa ny taxi moto ao anaty lahadinika ho lanian’ny mpanolotsaina indray. Tsy vitan’ny tsy mitazona ny teny nomeny Naina Andriatsitohaina fa miharihary ihany koa fa manao tsinontsinona anay olomboafidy satria raha ny sary tiana apetraka izany dia TSY MAINTSY LANIANA NY LAHADINIKA REHETRA FA TSY MISY LAHADINIKA LAVINA IZANY na iray aza satria io lahadinika io no HANY TOKANA lahadinika NOTSIPAHANAY MPANOLOTSAINAN’Antananarivo. Dia ianareo io no manomboka azy hoe raha misy zavatra tsy lany izany dia afaka hiverenana laniana foana mandrapahalàny azy. KA DIA HO LASA JURISPRUDENCE izany.

Re ankehitriny fa tsy hanaiky mora foana ny hisian’ny taxi moto eto Antananarivo Renivohitra ny fikambanan’ny TAXI fa hisy ny hetsika ataon’izy ireo ny 30 aogositra izay hanatanterahan’ny mpanolotsaina ny tanana ny fivoriana handaniana io volavolandalàna io.

Dia fampiadiana vahoaka toy izany ve no tian’ny mpitondra ho tanterahana eto amin’ny firenena sy ny renivohitry Madagasikara? Nareo ihany anie izao no mamboly korontana eto dia avy eo ny olona tsy manatsiny no lazaina fa mpanakorotana toy ilay nitranga tao aminy fiangonana JESOSY MAMONJY.