Tiako i Madagasikara Antsirabe 1 sy 2 – Vonona ary sahy hitondra avo ny antoko TIM

Helisoa

Tany Vakinakaratra, tao Antsirabe voalohany sy faharoa ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM Rina Randriamasinoro no nivory niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra isan’isany ao anatin’ny antoko Tiako i Madagasikara tao an-toerana. Niaraka taminy tao anatin’izany ny depiote voafidy tao Antsirabe Michel Ambalavato. Lahadinika nandritra ny fivoriana ny fifampizarana vaovao eo anivon’ny antoko sy eo amin’ny raharahampirenena amin’ny ankapobeny izay iainan’ny Malagasy ankehitriny.

Tokony hijoro isika hoy Rina Randriamasinoro satria efa manjaka loatra ny didin’ny be sandry eto amin’ny firenena sy ny fanaovana ny vahoaka ho tsinontsinona, ankoatra ny lafiny sosialy izay efa mampikaikaika ny Malagasy manontolo manerana ny Nosy. Teo ihany koa ny fitsinjarana andraikitra sy asa amin’ny fameloma-maso ny antoko, ary ny fanomezana toromarika amin’ny zavatra rehetra tokony atao.

Mafy ny fiainana hianantsika Malagasy hoy ny SG TIM Rina Randriamasinoro, ka izay no mahatonga antsika tsy hitarain-tana-miepaka fa hiasa hatrany hanabe voho ny antoko ahazoantsika ny fandresena miaraka amin’ny filoha Marc Ravalomanana rehefa tonga ny fotoana.