Tompondaka amin’ny zavatra rehetra Andry Rajoelina ????

Andry Tsiavalona

Tsy hiandian-kevitra intsony fa tena « tompondaka » amin’ny zavatra rehetra sy any amin’ny sehatra rehetra misy tokoa ny filohan’ny Repoblika ka tsy mbola nisy nahavita tahaka azy nandritra ny enimpolo taona. Anisan’izany ny nametrahana ny “fonds souverrain” ka mampametra-panontaniana hoe ity renivola natokana ho an’ny fiadidiana ny Repoblika ity ve no nentina nividianana ireny fanomezana nataony ho an’ny Fiangonana ireny?

Raha miverina any amin’ny tetezamita dia nisy tahiry vola vahiny nanodidina ny roa arivo miliara dolara tao amin’ny Banky Foiben’ny Madagasikara. Tsy nazava mihitsy hatramin’izao ny nampiasana izany vola izany. Ny tranga nanaitra tamin’ireny fotoana izany dia ny nahatratraran’ny mpitandro ny filaminana vola tamina baoritra tao anaty fiaran’ny depiote iray izay nahatonga resabe kanefa dia tsy nisy tohiny ary tsy fantatra hoe natao aiza izany vola izany. Heverina fa izany vola izany no nentin’ny mpitondra tamin’izany nirehereha fa na dia tsy nisy fanampiana avy tany ivelany aza, hono, dia nahavita zavatra ihany ny tetezamita.

Tafapetraka tamin’ny toeran’ny filohan’ny Repoblika IV andiany faharoa Rajoelina Andry Nirina. Nirehereha indray izy fa tsy hiantehitra amin’ny mpamatsy vola mahazatra dia tsy handroso Madagasikara na amin’ny 2060 aza. Nihambo ihany koa izy fa i Madagasikara no hanampy an’i Comores. Ny toe-draharaha, amin’ny sehatra rehetra, iainan’ny Malagasy amin’izao fotoana izao anefa dia miady gisitra eto anivon’izao tontolo izao raha ny toekarena no asiana resaka. Tsy resahina intsony ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimon’ny Nosy ary manginy fotsiny ny tsy fandriam-pahalemana. Tsiahivina anefa fa nahazo ny amboara ny maha tompondaka azy eo amin’ny fananganana indostria ny filohan’ny Repoblika ary tokony ho nahazo izany toerana izany koa eo amin’ny famoronana asa efatra alina ato anatin’ny enimbolana.

Hanafatra “bus moderne” arivo hanao ny fitanteram-bahoaka eto an-drenivohitra ankoatry ny “télépherique”. Amin’izao fotoana fanaovan’ny Fiangonana zaikabe izao dia manararaotra ny filohan’ny Repoblika nanome vola roapolo tapitrisa ariary ho an’ny Kristiana Tanora Loterana Malagasy (KTLM) sy fiara tsy mataho-dàlana ho an’ny Filohan’ny FLM tany Mahajanga. Nanome omby roa sy vary folo gony ho an’ny vehivavy Dorkasy FJKM ihany koa. Tsy vitan’izany fa nanome fitaovam-pianarana (kits scolaires) ho an’ny JMJ (Tanora Katolika) ao Antsirabe izay tena miloko volom-boasary izay tena mampiseho fa avy amin’ny antoko eo amin’ny fitondrana izany kanefa vola avy any am-paosin’ny filohan’ny Repoblika ve ireny. Raha ireo no tombanana amin’izao fotoana izao dia tena manambola azo hatosaka eny am-baravarakely izao fitondrana izao satria tsy misy krizy eto ary manana ny ho enti-manatanteraka ireo tetitikasa ireo. Raha ny toe-draharaha iainan’ny Firenena sy ny vahoaka Malagasy ankehitriny anefa dia sarotra ny hino fa manam-bola nanovana izany ny fitondrana satria tsy misy misoratra ao amin’ny tetibola nasiam-panitsiana ireo.

Ny tena zava-doza anefa dia ireo izay manam-bola amin’izao fitondrana izao dia tsy misy misitraka izany ary izay no anton’ny fitokonana etsy sy eroa. Mitokona ny mpianatra any Maninday-Toliara noho ny vatsim-pianarana telo volana tsy voaloa. Raha misy tokoa ny voasambotra kanefa tsy mpianatra dia azo lazaina fa mpikarama an’ady ireny sitrany mba mahazo jinjany rehefa mivoaka ny vatsim-pianarana. Mitokona ny mpampianatra niambina sy nitsara fanadinana eto an-drenivihotra satria tsy voaloha ny “vacations”. Trosan’ny olompirenena amin’ny mpitondra no takiany kanefa eo anatrehan’izany dia manao fafikatrana ny volam-bahoaka ny fitondrana tarihan-dRajoelina Andry Nirina noho ny fitsinjovany ny fifidianana amin’ny taona ho avy. Mihenjana andro aman’alina ny tady eo amin’ny mpitondra sy ny Malagasy ka ny hahiana dia toa varivarian’ny lavitra izao fitondrana izao ka tsy mahita ny mety handavo eo ambany maso.