Angovo – Tsy mitsahatra mikorosy fahana ny orinasa Jirama

JIRAMA

Stefa

Tsy mitsahatra mikorosy fahana amin’ izao fotoana ny orinasa misahana ny resaka angovo eto amintsika dia ny orinasa Jirama: Jiro sy Rano Malagasy.

Araka ny fanadihadiana, mahatratra 1031 miliara Ar amin’ izao fotoana ny fatiantoka ao amin’ity orinasa ity. Ny antony dia noho ny tsy fahaiza-mitantana, ny tsy fisian’ny mangarahara ara-pitantanana, izay miharihary amin’ny tsy fandraisana andraikitra, ka mahatonga ny fanodinkodinana sy fatiantoka goavana izao.

Tsy mety voavaha noho izany ny olan’ny mpanjifa eo amin’ ny resaka jiro sy rano, efa toa lasa tandra vadin-koditra amin’ny vahoaka ny fahatapatapahan-jiro na delestazy, misy izany amin’ny atoandro, fa tato ho ato dia ny alina no tena maty ny jiro.

Raha ho an’ny rano, faritra maro eto Antananarivo sy ny manodidina no mijaly rano, raha tsy hilaza afa tsy ny eny Itaosy Atsimondrano, efa ho am-bolana tsy misy rano mitete na kely aza amin’ny faritra sasany, anarany fotsiny no mba misy “robinet” ao an-trano fa tsy misy rano mandeha na amin’ny alina aza, satria amin’ny alina izany teo aloha teo no nandeha. Ny faktiora anefa amin’ny faritra sasany midangana rehefa tonga, mbola mampiseho ny faharatsiam-pitantanana ao amin’ity orinasa ity avokoa izany rehetra izany, ka mila vahaolana haingana mba tsy haha potika tanteraka azy.