EDITO 27 Aogositra – Aza atao fitaovana politika ny fiangonana

Beharo

Tamin’ity volana aogositra izao, dia nanakoako manerana ny faritany ny lazan’ ny finoana samy hafa. Hita sy tsapa araka izany fa na ny fiangonana, na ny sampana isan-karazany misy ao aminy, dia manao fihaonambe na zaikabe avokoa, ho fanatsarana ny vavaka arahim-pinoana toy ny hita tany Mahajanga ohatra izay nanatanterahana ny zaikaben’ny tanora FKTLM. Zaikabe ho fanatsarana hatrany ny tanora loterana malagasy sy ny manodidina azy ireo.

Teo ihany koa tsy adino ny fotoam-pankalazana ny faha-54 taonan’ny FJKM (18 aogositra 1968-18 aogositra 2022 ). Io dia fotoana nanaovan’ny filohan’ny fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara ny mpitandrina Dr Irako Andriamaha-zosoa Ammi fanentanana ny isam-piangonana, mba hanana fahasahiana amin’ny fanatanterahana io fotoan-dehibe io, ho mariky ny fiombonana sy ho fisaorana an’Andriamanitra.

Nisy ihany koa ny zaikabe nataon’ny fikambanam-behivavy loterana tany Fianarantsoa, ny fihaonan’ny mpitandrina protestanta tany Morondava izay marihina fa fanehoana ny maha-kristiana marina ny olona iray sy ny sisa…, izay tsy manao ambanin-javatra ny finoany. Marihina fa ankehitriny dia ao anatin’ny fanatsarana ny sampana tanora FJKM manerana an’i Madagasikara ny fiangonana. Araka izany, dia hisy fampiofanana hampiavaka azy io. Hetsika ara-kolontsaina arindra ara-panatanjahan-tena sy ny sisa atao any Toamasina..

Ny JMJ Mada na tanora katolika koa dia efa an-dalam-panatanterahana ity fivoriana fa-naon’ny tanora isaky ny 3 taona ity, ka fampianarana ny tanora hiatrika fihafiana, fifehezan-tena, fivavahana, fifanakalozana traikefa sy kolontsaina ho fampiombonana ny tanora eran’ny Nosy no laharam-pahamehana amin’izany, izay ho tanterahina any Antsirabe manomboka ny 30 aogositra hatramin’ny 4 septambra ho avy io.

Ny fanontaniana miainga amin’ireo finiavana sy fitiavana rehetra ireo dia ny hoe: Aiza ho aiza amin’ireo zava-misy ireo ny toe-draharaha misy eny amin’ny Jesosy mamonjy raha ireo ny misy amin’ ny finoana sasany? Moa tsy efa fanimbana fiangonana ny fitsabahan’ny tomponandraiki-panjakana ny raharaha mitranga toy ireny, toe-javatra efa fanimbana tanteraka raha ny hita nanomboka tamin’ny fifidianana izay ho filoha mpitantana hatramin’ny alahady farany teo mbola feno tafika manodidina, ny sasany tsy navela hiditra, nefa mba jereo ny finoana hafa ery aloha tsy misy halako bika tsy tiako tarehy mihitsy.