JMJ Mada X Antsirabe – Nakana 60000 Ar alina avy ny mpandray anjara, tao anatiny ny kits

Ny Valosoa

Mbola resabe hatramin’izao ny momba ireo kits: kitapo sy gourds, natolotra ho an’ireo tanora manerana ny Nosy, handray anjara amin’ny JMJ Mada X, hatao any Antsirabe faritra Vakinankaratra hanomboka ny 30 aogositra ho avy izao, ka tsy hifarana raha tsy ny 04 septambra. Marina fa ny tena kristiana tsy mandà fanomezana araka ny fanazavana efa nomen’ireo tompon’andraikitra anisan’ny mikarakara ity fihaonamben’ny tanora katôlika ity, fa misy tsy mazava ny momba ny nividianana ireo kits: kitapo sy gourds ireo.

Araka ny loharanom-baovao marim-pototra mantsy, efa nakana 60000 Ar avy, ireo mpandray anjara rehetra tamin’ity JMJ Mada andiany faha-10 ity, ka ao anatin’izany ny vidin’ny kits rehetra mandritra ny hetsika, ny kits izay hahitana kitapo sy gourds, boky momba ny JMJ mada, ny programa, ny chapelet,… Ao anatin’io latsakemboka efa nataon’ny mpandray anjara io koa ny sakafony, ny fampiantranoana, ny lafiny fahasalamana,…

Ka natao aiza izany ny vola natokana ho an’ny kits: kitapo sy gourds avy amin’io vola nefain’ny mpandray anjara io, satria efa nahazo tsy fandoavan-ketra tamin’ny filan-kevitry ny ministra mihitsy ny fanafarana azy ireo. Dia nahoana koa hoy ireo mpandray anjara, no nolazaina fa natolotry ny Filohampirenena indray ireo kitapo sy gourds ireo? Tena tafiditry ny politika sy ny raharaha maizimaizina tokoa arak’izany ity JMJ Mada ity.

Na izany na tsy izany, ny gazety Ny Valosoa Vaovao dia mirary fahombiazana ho an’ny hetsika, hahazo aim-panahy vaovao ireo mpandray anjara amin’izao fihaonambe tsy misy toa azy izao. Fihaonambe tokoa, satria raha ny tarehi-marika azo eto am-pelatanana momba ity JMJ Mada andiany faha-10 ity, fiara miisa 954 no efa nahazo alalana manokana hivezivezy hamonjy ity JMJ ity hatreto, avy amin’ireo Diôsezy miisa 18 manerana ny Nosy ary olona miisa 30000 any ho any, no ho avy any an-drenivohitr’i Vakinankaratra.