Marary nogadrain’ny fitondrana Rajoelina – Mila fitsaboana manokana ivelan’i Nosy-Be i Ninie Donia

Stefa

Marary nogadrain’ny fitondrana Rajoelina, mila fitsaboana manokana ivelan’i Nosy-Be faritra Diana amin’izao fotoana, ny mpanakanto sady mpanao politika Ninie Donia. Niditra hopitaly ao Nosy-Be nanomboka ny zoma lasa teo i Ninie Donia. Manana areti-mitaiza goty izy, ary io no nihetsika ka namparefo ny fahasalamany, ary voatery nampidirina hopitaly.

Natao fitiliana ara-pahasalamana, ary teo koa no fantatra fa manao “gros cœur” ihany koa izy, ka mila fitsaboana manokana, fa tsy vita ao Nosy Be. Tsiahivina fa nohelohin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Nosy Be, ho nitarika fikambanan-jiolahy izy sy olona miisa dimy ambin’ny folo hafa, ka voatazona enim-bolana an-tranomaizina ao an-toerana nanomboka ny volana jona 2022. Nampakatra ny raharaha any amin’ny Fitsarana ambony izy ireo, ka eo ampiandrasana ny didim-pitsarana, no izao marary niditra hopitaly izao. Nolazain’ny fitondrana Rajoelina, fa fikambanan-jiolahy ny fikambanan’ny firazanany, dia ny ”Zafin’ny Fotsy”. Toa tsy ampy ho an’ny fanjakana Rajoelina izany fanambaniana razan’olona izany, fa nogadrainy enim-bolana i Ninie Donia sy olona 15 hafa niaraka taminy.

Efa ataon’ny fitondrana Rajoelina mitondra faisana mihitsy ny faritra avaratra iny ankehitriny, rehefa avy nofitahany ny tantsaha mpamokatra lavanila, ary navelany tsy handray karama 10 volana ny mpiasan’ny SECREN, dia izao indray ny fanenjehana ireo tia tanindrazana any Nosy Be no imasoany. Miantso antsika rehetra, mba hiray hina hanohana an’i Ninie Donia sy ireo mpiara-dia aminy ny antoko TIM Nosy-Be, sy ireo mponina tratra ny tsindry hazo lena any an-toerana.